LESONA 8

Nahoana Izahay no Miezaka Miakanjo Tsara Rehefa Mivory?

Nahoana Izahay no Miezaka Miakanjo Tsara Rehefa Mivory?

Islandy

Meksika

Guinée-Bissau

Philippines

Jereo ato amin’ity bokikely ity ange fa miakanjo tsara ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mivory e! Fa nahoana izahay no miezaka manao izany?

Te hanaja an’Andriamanitra izahay. Marina fa tsy mifantoka amin’ny paozintsika Andriamanitra. (1 Samoela 16:7) Ataonay milamina tsara anefa ny volonay sy ny akanjonay rehefa hivory izahay, satria tena te hanaja azy sy ny mpiray finoana aminay izahay. Eritrereto tokoa ange e! Tsy maintsy hoe hiakanjo tsara ianao raha ho any amin’ny mpanjaka na filoham-pirenena satria manaja azy. I Jehovah anefa no “Mpanjakan’ny mandrakizay” ka tena mendrika ny hohajaina izy sy ny toerana ivavahana aminy.—1 Timoty 1:17.

Tianay haseho hoe mankatò ny fitsipik’Andriamanitra izahay. Milaza ny 1 Timoty 2:9, 10 fa tokony hiakanjo “amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena” ny Kristianina. Ny hoe miakanjo “maotina”, dia midika hoe tsy manao akanjo misarika mason’olona, toy ny akanjo marevaka loatra, na manara-tena be, na manify kely. Ahoana kosa ilay hoe “amim-pahendrena”? Mahay mifidy akanjo fa tsy manao akanjo misavoritaka, ohatra. Na izany aza, dia mbola be dia be ny karazan’akanjo azo anaovana, ka miezaka izahay mba hanao akanjo mahafinaritra foana. Na tsy mitory aza izahay, dia efa “mandravaka ny fampianaran’Andriamanitra” sy ‘manome voninahitra azy’ ny akanjonay. (Titosy 2:10; 1 Petera 2:12) Lasa tsapan’ny olona hoe hafa mihitsy ny tena mpanompon’i Jehovah.

Aza misalasala mandeha mivory anefa, na dia tsy manana akanjo mihaja aza ianao. Tsy voatery hoe manao akanjo lafo be ianao, fa rehefa madio sy milamina ilay izy dia efa mety.

  • Nahoana isika no mila miezaka miakanjo tsara rehefa mivory?

  • Inona ny andinin-teny tokony hotadidintsika rehefa hifidy akanjo sy taovolo?