LESONA 23

Ahoana no Anoratana sy Andikana ny Boky sy Gazety?

Ahoana no Anoratana sy Andikana ny Boky sy Gazety?

Sampan-draharahan’ny Fanoratana, Etazonia

Korea Atsimo

Armenia

Burundi

Sri Lanka

Miezaka mitory “amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra” izahay, ka mamoaka boky sy gazety amin’ny fiteny 700 eo ho eo. (Apokalypsy 14:6) Ahoana no ahafahanay mamoaka an’izany boky be dia be izany? Misy mpanoratra maromaro sy mpandika teny 3 300 eo ho eo eran-tany. Vavolombelon’i Jehovah daholo izy ireo.

Soratana amin’ny teny anglisy aloha ilay lahatsoratra. Ny Filan-kevi-pitantanana no manara-maso ny asan’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Io sampan-draharaha io indray no mandamina ny asan’ny mpanoratra ao amin’ny foibe na any amin’ny biraon’ny sampana sasany. Avy any amin’ny tany samihafa ny mpanoratra ka lasa isan-karazany ny zavatra resahina ao amin’ny boky sy gazety. Mahaliana ny olona eran-tany amin’izay ilay izy.

Alefa any amin’ny mpandika teny ilay lahatsoratra. Mila ahitsy sy eken’ny Filan-kevi-pitantanana anefa aloha ilay izy vao alefa any amin’ny alalan’ny Internet. Miara-miasa tsitelotelo ny mpandika teny. Rehefa mandika lahatsoratra izy ireo, dia hamarininy ilay izy hoe voadika daholo ve ny hevitra rehetra ary tsy misy diso. Miezaka mifidy teny mety tsara izy ireo, mba handikana ny tena hevitr’ilay lahatsoratra amin’ny fiteniny.—Mpitoriteny 12:10.

Vita haingana kokoa ny asa noho ny ordinatera. Marina fa tsy mahasolo olona ny ordinatera. Manafaingana ny asan’ny mpanoratra sy ny mpandika teny anefa izy io. Misy diksionera sy fanaovana fikarohana mantsy ao amin’ny ordinateran’izy ireo. Namorona programa atao hoe Fandaharana Elektronika Famoahana Boky sy Gazety Amin’ny Fiteny Maro (MEPS) koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo atsofoka ao ny lahatsoratra amin’ny fiteny rehetra. Ao no atambatra ny lahatsoratra sy ny sary, alohan’ny handefasana azy hatao pirinty.

Na dia vitsy mpampiasa aza ny fiteny iray, dia mbola mandika boky sy gazety amin’izany fiteny izany ihany izahay. Sitrapon’Andriamanitra mantsy “ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.”—1 Timoty 2:3, 4.

  • Ahoana no anoratana ny boky sy gazety?

  • Nahoana izahay no mandika boky amin’ny fiteny be dia be?