LESONA 3

Ahoana no Nahalalana Indray ny Tena Marina?

Ahoana no Nahalalana Indray ny Tena Marina?

Mpianatra ny Baiboly, teo anelanelan’ny 1870 sy 1880

Ny Tilikambo Fiambenana laharana voalohany, 1879

Ny Tilikambo Fiambenana ankehitriny

Efa nilaza ny Baiboly fa hisy mpampianatra sandoka eo anivon’ny Kristianina voalohany, rehefa maty i Kristy sy ny apostoly sasany. (Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Izany tokoa no nitranga. Nafangaron’izy ireo tamin’ny fampianaran’ny mpanompo sampy ny fampianaran’i Jesosy. Lasa nisy àry ny Fivavahana Kristianina sandoka. (2 Timoty 4:3, 4) Nahoana anefa isika no matoky fa marina izay ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah avy ao amin’ny Baiboly?

Nampahafantarin’i Jehovah ny tena marina. Efa nilaza izy fa “hitombo be ny tena fahalalana” amin’ny “fotoanan’ny farany.” (Daniela 12:4) Nisy olona vitsivitsy nitady ny marina ao amin’ny Baiboly, tamin’ny 1870. Hitany mantsy fa tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny ankamaroan’ny zavatra ampianarin’ny fivavahana. Niezaka namantatra izay tena ampianarin’ny Baiboly àry izy ireo ka nampian’i Jehovah. Fantany ihany ny tena marina!

Nazoto nandinika ny Soratra Masina ny Mpianatra ny Baiboly. Maka tahaka azy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izao rehefa mianatra Baiboly. Misy loha hevitra maro ao amin’ny Baiboly, ka nodinihin’izy ireo tsirairay izany. Rehefa nisy andinin-teny sarotra, dia nampitahainy tamin’ny andinin-teny hafa ilay izy mba ho azony. Nosoratany ny tena dikan’ilay andinin-teny sarotra, rehefa azony tsara sy hitany hoe tsy mifanipaka amin’ny hevitry ny Baiboly iray manontolo. Ny Baiboly ihany àry no nampitenenin’izy ireo, ka lasa fantany indray ny marina. Anisan’izany ny anaran’Andriamanitra sy ny Fanjakany, ary ny fikasany momba ny olona sy ny tany. Lasa hainy koa hoe tsy mahalala na inona na inona ny maty ary mbola hatsangana indray. Lasa tsy nanaonao foana sy tsy voafitaky ny fampianaran-diso intsony izy ireo.—Jaona 8:31, 32.

Fantatry ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny 1879, fa tokony hampahafantarina eran-tany amin’izay ny marina. Nanomboka namoaka an’ilay gazety hoe Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah àry izy ireo tamin’io taona io. Mbola mamoaka azy io foana izahay hatramin’izao. Mitory any amin’ny tany 239 mahery sy amin’ny fiteny 700 eo ho eo koa izahay. Mbola tsy nisy hoatr’izany mihitsy hatramin’izay!

  • Inona no nitranga taorian’ny nahafatesan’i Kristy?

  • Inona no nataon’ny Mpianatra ny Baiboly, mba hahafantarana indray ny marina lazain’ny Tenin’Andriamanitra?