LESONA 26

Inona no Azonao Atao mba Hikojakojana Efitrano?

Inona no Azonao Atao mba Hikojakojana Efitrano?

Estonia

Zimbabwe

Mongolia

Porto Rico

Ahitana ny anaran’Andriamanitra ny Efitrano Fanjakana ivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’ny fanompoana masina sy voninahitra àry ny manadio sy mikojakoja azy io, ka afaka manao izany isika rehetra.

Diovy ny efitrano rehefa vita ny fivoriana. Fanadiovana tsotsotra fotsiny no atao amin’izay. Diovina misimisy kokoa anefa izy io isan-kerinandro. Anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana no mandamina an’ilay izy. Matetika no efa vita lisitra ny zavatra hodiovina, dia iny fotsiny no arahiny. Misy, ohatra, mamafa sy manasa trano, manala vovoka amin’ny fanaka, manadio kabine, manasa fitaratra sy varavarankely, manary fako, ary manadio sy mikarakara tokotany. Indray mandeha isan-taona kosa, fara fahakeliny, no diovina tanteraka ny efitrano. Azo asaina manadio koa ny ankizy. Mampianatra azy isika amin’izay hoe tokony hokojakojaina tsara ny trano fivavahantsika.—Mpitoriteny 5:1.

Amboary izay simba. Jerena amin’ny an-tsipiriany isan-taona ny anatin’ny efitrano sy ny ivelany, mba hahitana izay mila amboarina. Kojakojaina tsy tapaka ilay izy avy eo, mba tsy ho lany anamboarana ny simba ny vola. (2 Tantara 24:13; 34:10) Efitrano Fanjakana madio sy voakojakoja tsara mantsy no mendrika anompoana an’Andriamanitra. Raha mandray anjara amin’izany isika, dia ho hita fa tena tia an’i Jehovah sy ny toerana fivavahantsika. (Salamo 122:1) Fitoriana vita ho azy amin’ny manodidina koa izany.—2 Korintianina 6:3.

  • Nahoana isika no tokony hikojakoja foana ny toerana fivavahantsika?

  • Inona avy ny fandaharana atao mba hadio foana ny Efitrano Fanjakana?