LESONA 27

Nahoana no Asiana Fitehirizam-boky ao Amin’ny Efitrano Fanjakana?

Nahoana no Asiana Fitehirizam-boky ao Amin’ny Efitrano Fanjakana?

Israely

Repoblika Tseky

Bénin

Nosy Caïmans

Te hanao fikarohana ve ianao mba hahay Baiboly kokoa? Misy olona na toerana na zavatra voalazan’ny Baiboly na andinin-teny tianao ho fantatra tsara ve? Sa manana olana ianao ka tianao ho fantatra raha afaka manampy anao ny Tenin’Andriamanitra? Ampiasao àry ny fitehirizam-boky ao amin’ny Efitrano Fanjakana.

Misy fitaovana fanaovana fikarohana ao. Mety tsy hanananao amin’ny fiteninao daholo ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy an’ireo boky nivoaka faramparany anefa ao. Mety hisy Baiboly protestanta na Baiboly hafa koa ao. Raha misy fanazavana tadiavinao, dia efa misy boky manoro an’izany ao. Afaka manao fikarohana ao ianao, aloha sy aorian’ny fivoriana. Raha misy ordinatera ao amin’ilay fitehirizam-boky, dia mety hisy Watchtower Library ilay izy. Programana ordinatera ahitana boky sy gazety be dia be izy io, ary mora ampiasaina. Azo karohina ao izay hevitra na teny na andinin-teny tiana ho fantatra.

Manampy an’izay manana anjara amin’ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana izy io. Afaka mikaroka ao ianao rehefa manana anjara. Ny mpiandraikitra an’io fivoriana io no mikarakara an’ireny fitehirizam-boky ireny. Alaminy tsara ilay izy ary ataony ao izay boky na gazety nivoaka farany. Afaka manontany azy na ny mpampianatra Baiboly anao ianao hoe ahoana no anaovana fikarohana ao. Tsy tokony hoentina mody na hosoratsoratana anefa ny boky, fa mila tandremana tsara.

Milaza ny Baiboly fa tsy maintsy mikaroka toy ny ‘mikaroka harena miafina’ isika, raha te ‘hahalala an’Andriamanitra.’ (Ohabolana 2:1-5) Manampy antsika amin’izany ny fitehirizam-boky.

  • Inona avy ireo fitaovana azo anaovana fikarohana ao amin’ny fitehirizam-bokin’ny fiangonana?

  • Iza no afaka manoro anao ny fanaovana fikarohana ao?