LESONA 11

Nahoana Izahay no Manao Fivoriambe?

Nahoana Izahay no Manao Fivoriambe?

Meksika

Alemaina

Botswana

Nikaragoà

Italia

Faly erỳ ireo olona eo amin’ny sary ireo satria manatrika fivoriambe. Manahaka ny mpanompon’Andriamanitra fahiny izahay Vavolombelon’i Jehovah, ka manao fivoriambe intelo isan-taona: Indroa manao fivoriamben’ny faritra iray andro, ary indray mandeha manao fivoriamben’ny vondrom-paritra telo andro. (Deoteronomia 16:16) Nahoana no mahasoa anay izy ireny?

Mampifankatia kokoa anay ny fivoriambe. Faly erỳ ny Israelita fahiny niara-nivory mba hidera an’i Jehovah. Miara-mivory hoatr’izany koa izahay amin’izao. (Salamo 26:12; 111:1) Any amin’ireny fivoriambe ireny izahay no afaka mihaona sy miresaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah namanay avy amin’ny fiangonana hafa na avy any an-tany hafa mihitsy aza. Ao amin’ny toerana anaovana fivoriambe ihany izahay no misakafo antoandro, ka vao mainka mahafinaritra ilay izy. (Asan’ny Apostoly 2:42) Any no tena ahitana hoe mifankatia toy ny mpiray tam-po mihitsy izahay.—1 Petera 2:17.

Manampy anay hifandray tsara amin’i Jehovah ny fivoriambe. Nandray soa ny Israelita rehefa niara-nivory, satria “azon’izy ireo tsara” izay nohazavaina taminy avy tao amin’ny Soratra Masina. (Nehemia 8:8, 12) Tena tianay koa ny zavatra ampianarina any amin’ny fivoriambe. Misy lohateny lehibe isan’andro, ka mifandray amin’io ny lahateny rehetra. Andinin-teny foana no atao lohateny lehibe. Misy lahateny tsotra sy lahateny mifampitohy ary fampisehoana any. Manampy anay hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy ireny. Mandre ny tantaran’ny mpiara-manompo aminay koa izahay any, ary tena mampahery ilay izy satria mahavita tsy mivadika izy ireo na dia manana olana aza. Misy tantara an-tsehatra handraisana lesona rehefa fivoriamben’ny vondrom-paritra. Rehefa fivoriambe koa no atao batisa izay te hampiseho fa efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra izy.

  • Nahoana no tena mahafinaritra ny manatrika fivoriambe?

  • Inona no soa ho azonao raha manatrika fivoriambe ianao?