LESONA 10

Inona no Atao hoe Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?

Inona no Atao hoe Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?

Korea Atsimo

Brezila

Aostralia

Guinée

Efa hatramin’izay no tian’i Jehovah hanokana fotoana ny fianakaviana mba hiara-mianatra ny teniny. Lasa mifandray kokoa aminy izy ireo amin’izay sady mifankatia kokoa. (Deoteronomia 6:6, 7) Izany no mahatonga ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah hiara-mianatra Baiboly indray mandeha isan-kerinandro. Zavatra mifanaraka amin’izay ilainy no dinihiny ary ataony mahafinaritra ilay izy. Raha mipetra-drery anefa ny olona iray, dia afaka mianatra irery an’izay foto-kevitra tiany. Ataony toy ny hoe fotoana iarahany amin’i Jehovah ilay izy.

Lasa mifandray kokoa amin’i Jehovah ny fianakaviana. Hahafantatra kokoa an’i Jehovah ianareo mianakavy raha ianaranareo tsara ao amin’ny Baiboly ny toetrany sy ny zavatra nataony. Milaza mantsy ny Jakoba 4:8 hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” Inona àry, ohatra, no azonareo atao mandritra ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianareo? Miaraha mamaky an’ireo toko ao amin’ny Baiboly asaina vakin’ny fiangonana mandritra ny herinandro. Afaka mifandimby mamaky ianareo, ary avy eo miresaka an’izay hevitra hitanareo.

Lasa mifankatia kokoa ny fianakaviana. Vao mainka mifankatia ny ray aman-dreny sy zanaka sy ny mpivady rehefa miara-mianatra Baiboly. Tokony hahafinaritra sy tsy ho andrin’ny rehetra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Hevitra azo ampiharina sy mifanaraka amin’ny taonan’ny zanakareo àry fidina. Ohatra hoe lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! na jw.org/mzc. Resaho, ohatra, ny zavatra azon’ny zanakareo atao mba hiatrehany ny olana mahazo azy any am-pianarana. Mety hahafinaritra koa ny miara-mihira an’ireo hira hatao amin’ny fivoriana, ary misakafo kely aorian’izay.

Manokàna àry fotoana isan-kerinandro mba hiarahanareo mianatra momba an’i Jehovah. Hotahiny ianareo amin’izay ary lasa tia mianatra Baiboly.—Salamo 1:1-3.

  • Nahoana isika no tokony hanokana fotoana hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?

  • Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny mba hahafinaritra ny rehetra ilay izy?