Hanao ny Sitrapon’i Jehovah ve Ianao?

Hanao ny Sitrapon’i Jehovah ve Ianao?

Faly izahay hoe nandinika an’ity bokikely ity ianao, ka lasa mahafantatra anay Vavolombelon’i Jehovah sady mahalala ny zavatra ataonay sy ny fandaminanay. Hitanao koa angamba fa izahay no tena miezaka manao ny sitrapon’Andriamanitra. Ampirisihinay ianao hanohy hianatra momba azy, hiresaka ny zavatra nianaranao amin’ny havanao sy namanao, ary hivory hiaraka aminay foana.—Hebreo 10:23-25.

Arakaraka ny hianaranao momba an’i Jehovah no hahatsapanao fa tena tia anao izy. Vao mainka ianao te hiezaka hampiseho aminy fa tianao koa izy. (1 Jaona 4:8-10, 19) Ahoana anefa no hanaovanao an’izany isan’andro? Nahoana no mahasoa anao ny mankatò ny fitsipiny? Inona no hanampy anao hazoto hanao ny sitrapon’Andriamanitra miaraka aminay? Afaka manampy anao hahita ny valin’ireo ny mpampianatra anao. ‘Hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra’ ianao sy ny fianakavianao amin’izay, sady ‘hitsinjo ny fiainana mandrakizay.’—Joda 21.

Nahoana raha manohy mianatra Baiboly amin’ilay boky hoe “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”?