Inona no Sitrapon’Andriamanitra?

Inona no Sitrapon’Andriamanitra?

Tiany ho lasa paradisa ny tany ka hiaina mandrakizay eto isika, ary hiadana sy ho faly.

Mety hieritreritra ianao hoe ahoana no hetezan’izany. Milaza anefa ny Baiboly fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hanao izany. Tian’i Jehovah hianatra momba an’io Fanjakana io sy izay iriny ho antsika ny olona rehetra.—Salamo 37:11, 29; Isaia 9:7.

Tiany ho sambatra isika.

Toy ny ray tsara fanahy maniry izay hahasoa an-janany ny Raintsika any an-danitra, satria tiany ho sambatra mandrakizay isika. (Isaia 48:17, 18) Mampanantena izy fa ‘haharitra mandrakizay izay manao ny sitrapony.’—1 Jaona 2:17.

Tiany hankatò azy isika.

Milaza ny Baiboly fa te “hampianatra antsika ny lalany” ny Mpamorona antsika, mba “handeha amin’ny atorony isika.” (Isaia 2:2, 3) Nanangona olona “hitondra ny anarany” izy, mba hampahafantatra ny sitrapony eran-tany.—Asan’ny Apostoly 15:14.

Tiany hiara-manompo azy isika.

Miray saina sy tena mifankatia ny olona miara-manompo an’i Jehovah. (Jaona 13:35) Iza ankehitriny no mampianatra ny olona hanao izany? Ho hitanao ato amin’ity bokikely ity ny valin’izany.