LESONA 1

Iza moa ny Vavolombelon’i Jehovah?

Iza moa ny Vavolombelon’i Jehovah?

Danemark

Taïwan

Venezoelà

Inde

Firy ny Vavolombelon’i Jehovah fantatrao? Mety ho mpiray tanàna na mpiara-miasa na mpiara-mianatra aminao ny sasany aminay. Efa nitory taminao koa angamba izahay. Iza àry izahay Vavolombelon’i Jehovah, ary nahoana no resahinay amin’ny olona ny zavatra inoanay?

Hoatran’ny olon-drehetra ihany izahay. Samy hafa fiaviana sy fari-piainana izahay. Efa tany amin’ny fivavahana hafa ny sasany taminay taloha. Nisy kosa tsy nino an’Andriamanitra mihitsy. Nandinika tsara ny Baiboly anefa izahay, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 17:11) Samy nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah izahay, satria resy lahatra tamin’ny zavatra nianaranay.

Mianatra Baiboly izahay satria mahasoa anay izany. Manana olana toy ny olon-drehetra izahay, ary mety hanao diso koa indraindray. Miezaka mampihatra ny torohevitry ny Baiboly anefa izahay isan’andro, ka tena manatsara ny fiainanay izany. (Salamo 128:1, 2) Izany no mahatonga anay hiresaka amin’ny olona ny zavatra tsara ianaranay avy ao amin’ny Baiboly.

Mianatra sy mankatò ny fitsipik’Andriamanitra izahay. Lasa manao ny marina àry izahay, manaja olona, tsara toetra, falifaly foana, ary sambatra. Mihatsara koa ny fiainanay ary tsara fitondran-tena izahay. Lasa mifankatia koa ny fianakavianay. Mino izahay fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.” Toy ny mpiray tam-po daholo àry izahay fa tsy mifanavakavaka, na dia samy hafa fiaviana aza. Miray saina koa izahay satria tsy manao politika. Miavaka izahay na dia toa hoatran’ny olon-drehetra ihany aza.—Asan’ny Apostoly 4:13; 10:34, 35.

  • Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mitovy amin’ny olon-drehetra ihany?

  • Inona no ianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Baiboly?