LESONA 18

Ahoana no Ataonay Rehefa Iharam-boina ny Mpiray Finoana Aminay?

Ahoana no Ataonay Rehefa Iharam-boina ny Mpiray Finoana Aminay?

Repoblika Dominikanina

Japon

Haïti

Miezaka manampy avy hatrany izahay Vavolombelon’i Jehovah, rehefa misy mpiara-manompo aminay iharam-boina. Tena mifankatia mantsy izahay. (Jaona 13:34, 35; 1 Jaona 3:17, 18) Ahoana no ataonay?

Manome vola izahay. Nisy mosary tany Jodia fahiny, ka nandefa vola hanampiana ny Kristianina tany ny mpiray finoana tamin’izy ireo tany Antiokia. (Asan’ny Apostoly 11:27-30) Mandefa fanampiana any amin’ny mpiara-manompo aminay any an-tany hafa koa izahay, rehefa renay hoe misy loza any. Angonina aloha ny fanampian’ny fiangonana dia alefa any avy eo.—2 Korintianina 8:13-15.

Manampy mihitsy koa izahay. Mitady ny olona rehetra anisan’ny fiangonana ny anti-panahy any amin’ny toerana misy loza. Mba hitany amin’izay raha tsy nisy naninona ry zareo. Ny komitin’ny vonjy rano vaky kosa no miandraikitra ny fanampiana toy ny sakafo, rano fisotro madio, akanjo, trano, ary fitsaboana. Misy koa mianto-tena mankany amin’ny toerana iharam-boina. Mety hoe manana traikefa ilaina any mantsy izy ireo. Mitsabo, ohatra, ry zareo na manamboatra trano na Efitrano Fanjakana simba. Tsy mikarama izy ireo rehefa manao izany. Mahavita manampy haingana izahay rehefa misy loza tampoka, satria miray saina. Miara-miasa foana koa izahay, ka ampy traikefa. Marina fa ny “mpiray finoana” aminay matetika no ampianay. Manampy olon-kafa koa anefa izahay rehefa afaka, na inona na inona fivavahany.—Galatianina 6:10.

Mampahery amin’ny alalan’ny Baiboly izahay. Mila ampaherezina ny olona niharam-boina, ary i Jehovah no tena afaka manao izany. “Andriamanitry ny fampiononana” mantsy izy. (2 Korintianina 1:3, 4) Resahinay amin’izy ireo àry fa mampanantena i Jehovah hoe tsy ho ela dia hamarana ny loza rehetra ny Fanjakany. Tsy hijaly intsony ny olona amin’izay.—Apokalypsy 21:4.

  • Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mahavita manampy avy hatrany rehefa misy loza?

  • Inona no azontsika lazaina rehefa mampahery tra-boina?