LESONA 16

Inona ny Andraikitry ny Mpanampy Amin’ny Fanompoana?

Inona ny Andraikitry ny Mpanampy Amin’ny Fanompoana?

Myanmar

Manao ny anjarany

Miaraka amin’ny andia-mpitory

Manadio Efitrano Fanjakana

Milaza ny Baiboly fa lehilahy vitsivitsy atao hoe “mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana” no tendrena hikarakara ny fiangonana. (Filipianina 1:1) Matetika no ahitana azy ireny isaky ny fiangonana. Inona no ataon’ny mpanampy amin’ny fanompoana?

Manampy ny anti-panahy izy ireo. Mifandray tsara amin’i Jehovah ny mpanampy amin’ny fanompoana. Azo atokisana izy ireo ary manao tsara ny andraikiny, na tanora izany na efa zokinjokiny. Betsaka ny zavatra tena mila karakaraina eo anivon’ny fiangonana, ka izy ireo no manao izany. Afaka mifantoka amin’ny fampianarana sy ny fitsidihana ny mpiara-manompo ny anti-panahy amin’izay.

Manampy ny fiangonana izy ireo. Asaina mikarakara ny mpanatrika ny mpanampy amin’ny fanompoana sasany, ka mandray an’izay rehetra tonga ao am-pivoriana. Ny hafa indray asaina mikarakara ny fanamafisam-peo, mizara boky sy gazety, mikaonty ny volan’ny fiangonana, mandamina ny faritany itoriana, ary mikojakoja Efitrano Fanjakana. Mety hasain’ny anti-panahy hanampy ny zokiolona koa izy ireo. Tokony hanaja ny mpanampy amin’ny fanompoana ny fiangonana, satria miasa mafy sy miezaka mamita izay asaina ataony izy ireo.—1 Timoty 3:13.

Modely ho an’ny rehetra izy ireo. Tendrena ho mpanampy amin’ny fanompoana ny rahalahy, rehefa hita hoe manana toetra tokony hananan’ny Kristianina. Manatanjaka finoana ny lahateny na anjara hafa ataon’izy ireo. Mazoto mitory izy ireo ka modely ho antsika. Miara-miasa tsara amin’ny anti-panahy koa ry zareo, ka lasa mahafinaritra ny rivo-piainana eo anivon’ny fiangonana ary miray saina ny rehetra. (Efesianina 4:16) Mety ho lasa anti-panahy izy ireo any aoriana any.

  • Tokony ho olona manao ahoana ny mpanampy amin’ny fanompoana?

  • Inona no ataony mba hikarakarana tsara ny fiangonana?