LESONA 13

Inona no Atao hoe Mpisava Lalana?

Inona no Atao hoe Mpisava Lalana?

Kanada

Mitory isan-trano

Mampianatra Baiboly

Mianatra samirery

Matetika ny hoe “mpisava lalana”, dia olona mankany amin’ny toerana mbola tsy nisy nandeha mihitsy, ary manao lalana ahafahan’ny olona mankany koa. Toy ny hoe mpisava lalana i Jesosy. Nasaina nanketỳ an-tany mantsy izy, mba hitory sy hanao sorona ny ainy hamonjena ny olona . (Matio 20:28) Manahaka azy koa ny mpianany ankehitriny, ka tena mazoto mandeha ‘mampianatra’ Baiboly foana. (Matio 28:19, 20) Misy aza manao mpisava lalana mihitsy.

Mitory sy mampianatra no tena ataon’izy ireo. Mitory ny vaovao tsara daholo ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy anefa mpisava lalana maharitra, ka mitory adiny 70 isam-bolana. Tapak’andro na andro vitsivitsy isan-kerinandro ihany, ohatra, ny ankamaroan’izy ireo no miasa. Ny sasany indray mpisava lalana manokana. Alefa any amin’ny toerana tsy dia misy mpitory izy ireny, ary mitory adiny 130 na mahery isam-bolana. Tsotra ny fiainan’ny mpisava lalana ary afa-po amin’izany izy ireo. Matoky izy fa hanome izay tena ilainy i Jehovah. (Matio 6:31-33; 1 Timoty 6:6-8) Izay tsy afaka ny ho mpisava lalana maharitra sy manokana kosa, dia manao mpisava lalana mpanampy isaky ny afaka. Mitory adiny 30 na 50 isam-bolana izy ireo.

Tia an’Andriamanitra sy tia olona izy ireo. Mitovy hevitra amin’i Jesosy izahay hoe tena mila ampiana hahalala an’Andriamanitra ny olona. (Marka 6:34) Miezaka miresaka an’izay fantatray àry izahay mba hananan’ny olona fanantenana dieny izao. Tia olona ny mpisava lalana ka milofo mafy sy mahafoy fotoana itoriana amin’izy ireny. (Matio 22:39; 1 Tesalonianina 2:8) Lasa sambatra sy mifandray kokoa amin’Andriamanitra izy ary mihamatanjaka ny finoany.—Asan’ny Apostoly 20:35.

  • Inona no atao hoe mpisava lalana, araka ny hevitrao?

  • Nahoana ny olona sasany no manao mpisava lalana?