LESONA 9

Inona no Atao Rehefa Manomana Fivoriana?

Inona no Atao Rehefa Manomana Fivoriana?

Kambôdza

Ukraine

Mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ianao? Azo antoka fa manomana mialoha an’izay boky ianaranao ianao. Tsara koa anefa raha omaninao mialoha izay zavatra hianarana any am-pivoriana. Tena handray soa ianao raha zatra manao an’izany.

Jereo hoe rahoviana ary aiza no tsara anaovana fanomanana. Rehefa inona ianao no tena mifantoka? Vao maraina be alohan’ny hanaovana asa aman-draharaha ve, sa amin’ny alina rehefa matory iny daholo ny zanakao? Manokàna foana fotoana ianarana na dia tsy manam-potoana be aza ianao, ary aza avela hisy zavatra hanembantsembana an’io fotoana io. Mianara amin’ny toerana mangina ka vonoy izay rehetra mety hanelingelina anao, na radio izany na tele na telefaonina. Mivavaha alohan’ny hianarana mba hifantoka tsara ianao.—Filipianina 4:6, 7.

Tsipiho izay valiny ao amin’ilay boky, ary eritrereto mialoha izay hovalianao. Jereo amin’ny ambangovangony aloha ilay lahatsoratra na toko ianarana. Ahoana izany? Vakio ny lohateny ary jereo hoe inona no ifandraisan’ny lohatenikely rehetra amin’izy io. Diniho ny sary sy ny fanontaniana famerenana, satria ireny no ahitana ny hevi-dehibe. Vakio tsirairay ny fehintsoratra avy eo ary tadiavo ny valin’ny fanontaniana. Izay teny ahafahanao mitadidy ny valiny ihany tsipihina. Vakio ny andinin-teny ary eritrereto hoe inona no ifandraisany amin’ilay fehintsoratra. (Asan’ny Apostoly 17:11) Rehefa any am-pivoriana ianao, dia afaka manangan-tanana ka mamaly fanontaniana amin’ny fomba fiteninao. Miezaha anefa tsy ho be resaka loatra.

Toy ny manana “trano fitehirizany” fahalalana ny olona mianatra Baiboly. (Matio 13:51, 52) Raha manomana fivoriana foana àry ianao, dia hitombo ny fahalalana voatahirinao.

  • Inona no tokony hataonao alohan’ny hivory?

  • Inona no tokony hataonao rehefa manomana, amin’izay ianao afaka manome valin-teny any am-pivoriana?