LESONA 2

Nanao Lehilahy sy Vehivavy Andriamanitra

Nanao Lehilahy sy Vehivavy Andriamanitra

Nanao zaridaina antsoina hoe Edena i Jehovah. Nisy voninkazo sy hazo ary biby be dia be tao. Nanamboatra an’i Adama i Jehovah avy eo, ary izy no lehilahy voalohany teto an-tany. Vovoka no nanamboarany azy, dia nampidirany rivotra teo amin’ny orony ary lasa velona izy. Nasain’i Jehovah nikarakara an’ilay zaridaina sy nanome anarana ny biby rehetra i Adama.

Izao anefa ny didy nomen’i Jehovah an’i Adama: ‘Azonao hohanina daholo ny voankazo rehetra, afa-tsy ny voan’ny hazo iray ihany. Fa raha mihinana an’ilay izy ianao, dia ho faty.’

Hoy i Jehovah tatỳ aoriana: ‘Andeha aho hanamboatra olona hanampy an’i Adama.’ Nataony natory be mihitsy àry i Adama. Naka taolana iray teo amin’ny tratrany izy avy eo, dia nanamboarany vady ho an’i Adama ilay izy. Eva no anaran’ilay vehivavy. I Adama sy Eva no fianakaviana voalohany teto an-tany. Faly be i Adama rehefa nahita an’ilay vadiny. Hoy izy: ‘Oay e! Taolan-tratrako ve no nahavitan’i Jehovah an’ity namako ity?’

Nasain’i Jehovah niteraka i Adama sy Eva, amin’izay ho feno olona ny tany. Tiany hanamboatra ny tany manontolo ho paradisa ry zareo. Zaridaina tsara tarehy izany paradisa izany, hoatran’ny zaridainan’i Edena. Tsy lasa paradisa anefa ny tany izao. Fa inona no nitranga? Ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka izany.

“Izay namorona ny olona, dia nanao azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana.” —Matio 19:4