LESONA 1

Nanamboatra ny Lanitra sy ny Tany Andriamanitra

Nanamboatra ny Lanitra sy ny Tany Andriamanitra

I Jehovah Andriamanitra no Mpamorona antsika. Izy no nanao ny zavatra rehetra, na ireny hitantsika ireny, na ny tsy hitantsika. Nanamboatra anjely be dia be aloha izy, vao nanao an’ireny zavatra hitantsika ireny. Fantatrao ve hoe inona ny anjely? Zavaboary noforonin’i Jehovah ry zareo, ary tsy hita maso hoatran’azy koa. Ny anjely noforonin’i Jehovah voalohany no nanampy azy, tamin’izy nanamboatra ny kintana, ny planeta, ary ny zavatra hafa. Anisan’ny planeta nataony ity tany tsara tarehy ipetrahantsika ity.

Nataon’i Jehovah tsara be ny tany, amin’izay ho afaka hipetraka etỳ ny biby sy ny olona. Nataony nanazava ny tany ny masoandro, dia avy eo izy nanao ny tendrombohitra sy ny ranomasina ary ny renirano.

Hoy indray i Jehovah: ‘Andeha hasiako bozaka maitso sy zavamaniry ary hazo eny ambonin’ny tany.’ Dia nisy voankazo sy legioma ary voninkazo isan-karazany tetỳ. Nanao biby be dia be izy avy eo. Tao ny nanidina, nilomano, nandady, ary nikisaka. Tao koa ny kelikely, ohatra hoe bitro ary tao ny ngezabe, ohatra hoe elefanta. Inona no biby tianao indrindra?

Hoy i Jehovah avy eo tamin’ilay anjely noforoniny voalohany: ‘Andao isika hanamboatra olona.’ Tsy mitovy amin’ny biby ny olombelona, satria mahavita mamorona zavatra, sady afaka miteny, mihomehy, ary mivavaka. Nasaina nikarakara ny tany sy ny biby ny olona. Fantatrao ve hoe iza ny olona noforonina voalohany?

“Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.”—Genesisy 1:1