Fampidirana ny Fizarana 10

Fampidirana ny Fizarana 10

I Jehovah no Mpanjakan’izao rehetra izao. Afaka mifehy ny zava-drehetra izy, na taloha na amin’izao na amin’ny hoavy. Novonjeny, ohatra, i Jeremia, rehefa natsipy tao anaty lavaka ka saika maty tao. Novonjeny tao anaty lafaoro mirehitra koa i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Novonjeny tsy hohanin’ny liona koa i Daniela. Nampiany koa i Estera ka afaka namonjy ny Jiosy rehetra. Tsy havelan’i Jehovah hisy mandrakizay ny ratsy fanahy. Faminaniana ilay sarivongana sy hazo ngezabe, ary midika hoe handringana ny ratsy fanahy tsy ho ela ny Fanjakan’i Jehovah, dia avy eo hitondra ny tany.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

LESONA 57

Nirahin’i Jehovah Hitory i Jeremia

Tezitra be tamin’izay notenenin’ilay mpaminany tanora ny anti-panahy.

LESONA 58

Rava i Jerosalema

Nanompo sampy foana ny olona tany Joda, ka navelan’i Jehovah ho resy.

LESONA 59

Ankizilahy Efatra Nankatò An’i Jehovah

Tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah ny ankizilahy efatra avy any Joda, na dia rehefa tao an-tranon’ny mpanjakan’i Babylona aza.

LESONA 60

Fanjakana Haharitra Mandrakizay

Nohazavain’i Daniela ilay nofy hafahafan’i Nebokadnezara.

LESONA 61

Tsy Nety Niankohoka Izy Ireo

Tsy nety nivavaka tamin’ilay sarivongana volamena nataon’ny mpanjakan’i Babylona i Sadraka sy Mesaka ary Abednego.

LESONA 62

Fanjakana Hoatran’ny Hazo Ngezabe

Nampahafantarina an’i Nebokadnezara tao amin’ilay nofiny ny momba ny hoaviny.

LESONA 63

Ilay Soratra teo Amin’ny Rindrina

Oviana no nisy an’ilay soratra hafahafa teo amin’ny rindrina, ary inona no dikan’ilay izy?

LESONA 64

Tao Anaty Lavaky ny Liona i Daniela

Mivavaha isan’andro hoatran’ny nataon’i Daniela!

LESONA 65

Novonjen’i Estera ny Fireneny

Jiosy i Estera sady kamboty ray sy reny, nefa lasa vadin’ny mpanjaka.

LESONA 66

Nampianatra ny Lalàn’i Jehovah i Ezra

Nanao voady tamin’Andriamanitra ny vahoaka, rehefa avy nihaino an’izay rehetra nolazain’i Ezra.

LESONA 67

Ny Mandan’i Jerosalema

Fantatr’i Nehemia fa nanao tetika mba hanafihana an’i Jerosalema ny fahavalony. Naninona anefa izy no tsy natahotra?