LESONA 62

Fanjakana Hoatran’ny Hazo Ngezabe

Fanjakana Hoatran’ny Hazo Ngezabe

Nanonofy zavatra mampahatahotra i Nebokadnezara, indray alina. Nasainy nilaza ny dikan’ilay nofy ny olon-kendry, nefa tsy nisy nahay. Farany dia nantsoiny i Daniela.

Dia hoy i Nebokadnezara: ‘Nanonofy aho hoe nisy hazo anankiray lasa avo be. Dia nipaka tamin’ny lanitra ilay izy, ary hitan’ny olona rehetra teto an-tany. Nisy raviny tsara tarehy sy voany be dia be ilay izy. Nialokaloka teo ambaniny ny biby, ary nanao trano teny amin’ny sampany ny vorona. Dia nisy anjely avy tany an-danitra niantsoantso hoe: “Kapao io hazo io sy ny sampany. Avelao eo ihany anefa ny fotony sy ny fakany, fa fatory vy sy varahina. Ho lasa fom-biby ny fony, fa tsy fon’olombelona intsony. Dia havela eo izy mandritra ny fe-potoana fito. Ho fantatry ny olona rehetra amin’izay hoe Andriamanitra no Mpitondra, ka homeny fanjakana izay tiany homena azy.”’

Nampahafantarin’i Jehovah an’i Daniela ny dikan’ilay nofy. Natahotra be izy rehefa fantany ilay izy. Hoy izy: ‘Tiako raha mba tanteraka amin’ny fahavalonao fa tsy aminao ilay nofy, ry mpanjaka ô! Ianao mantsy ilay hazo nokapaina. Hesorina tsy ho mpanjaka ianao, sady hihinana bozaka hoatran’ny bibidia. Ho lasa mpanjaka indray anefa ianao, satria navela teo ihany ny fototr’ilay hazo, araka ny tenin’ilay anjely.’

Herintaona taorian’izay, dia nandehandeha teny an-tampon’ny tranony i Nebokadnezara. Hoy izy: ‘Tsara tarehy be mihitsy ity tanànan’i Babylona nataoko ity. Tsisy mahavita hoatran’ahy mihitsy.’ Tamin’izay no nisy feo avy tany an-danitra niteny hoe: ‘Nebokadnezara, esorina tsy ho mpanjaka ianao izao.’

Tonga dia lasa adala i Nebokadnezara, ka hoatran’ny bibidia. Voatery niala tao an-tranony izy, dia nipetraka tany an-tsaha niaraka tamin’ny bibidia. Lasa lava hoatran’ny volon’ny voromahery ny volony, dia hoatran’ny hohon’ny vorona ny hohony.

Sitrana i Nebokadnezara rehefa afaka fito taona. Dia nataon’i Jehovah mpanjakan’i Babylona indray izy. Hoy izy: ‘Midera an’i Jehovah aho fa izy no Mpanjakan’ny lanitra. Fantatro izao fa izy no Mpitondra, ka izay manambony tena dia ataony lasa ambany, ary omeny an’izay tiany homena azy ny fanjakana.’

“Ny fireharehana mialoha ny fahalavoana, ary ny fieboeboana mialoha ny fianjerana.” —Ohabolana 16:18