LESONA 59

Ankizilahy Efatra Nankatò An’i Jehovah

Ankizilahy Efatra Nankatò An’i Jehovah

Nentin’i Nebokadnezara tany Babylona ny havan’ny mpanjakan’ny Joda. I Aspenaza mpiasany no notendreny hikarakara an-dry zareo. Nasain’i Nebokadnezara nofidiny izay ankizilahy salama sy mahay indrindra tamin-dry zareo mba hampianarina telo taona, ka ho lasa olona ambony tao Babylona. Nianatra namaky sy nanoratra teny akadianina ry zareo, ary nianatra nampiasa an’ ilay fiteny. Tsy maintsy nihinana sakafo nitovy tamin’ny an’ny mpanjaka koa ry zareo. Anisan’ireo ankizilahy ireo i Daniela, Hanania, Misaela, ary Azaria. Nomen’i Aspenaza anarana babylonianina izy efa-dahy, dia hoe Beltesazara, Sadraka, Mesaka, ary Abednego. Mbola hanompo an’i Jehovah foana ve ry zareo, na dia nampianarina hoatr’izany aza?

Tapa-kevitra ny hankatò an’i Jehovah izy efa-dahy. Fantany fa tsy tokony hihinana tamin’ny sakafon’ny mpanjaka ry zareo satria tsy azo nohanina ny biby sasany, araka ny Lalàn’i Jehovah. Hoy àry ry zareo tamin’i Aspenaza: ‘Aleo ange izahay mba tsy mihinana amin’ny sakafon’ny mpanjaka e!’ Dia hoy i Aspenaza: ‘Hovonoin’ny mpanjaka ange izaho raha hitany hoe malemilemy ianareo e!’

Nahita hevitra i Daniela, ka hoy izy tamin’ny mpiambina: ‘Maninona raha legioma sy rano fotsiny no omena anay? Dia jereo rehefa afaka folo andro hoe manao ahoana izahay, raha oharina amin’ny ankizy mihinana amin’ny sakafon’ny mpanjaka.’ Nanaiky àry ilay mpiambina.

Rehefa afaka folo andro, dia hita fa salama kokoa i Daniela sy ny namany telo lahy. Tena faly i Jehovah fa nankatò azy ry zareo. Nampian’i Jehovah koa i Daniela, dia lasa nahay nanazava ny hevitry ny nofy sy fahitana.

Rehefa vita ilay fianarana, dia nentin’i Aspenaza tany amin’ny mpanjaka ny ankizilahy rehetra. Nifampiresaka tamin-dry zareo ny mpanjaka, dia hitany hoe nahay be i Daniela, Hanania, Misaela, ary Azaria. Notendreny hiasa tao aminy àry izy efa-dahy, ary matetika no nanontaniany rehefa nisy zavatra nampiasa saina azy. Nataon’i Jehovah mahay kokoa noho ny olon-kendry sy ny mpanao mazia rehetra nampiasain’ny mpanjaka izy efa-dahy.

Tsy tany amin’ny taniny i Daniela, Hanania, Misaela, ary Azaria. Tsy hadinony mihitsy anefa hoe mpanompon’i Jehovah ry zareo. Ary ianareo rankizy? Hotadidinareo foana koa ve i Jehovah, na tsy eo aza ny dadanareo sy ny neninareo?

“Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao noho ny fahatanoranao, fa aoka kosa ianao ho modely ho an’ny olona tsy mivadika, eo amin’ny teny sy ny fitondran-tena sy ny fitiavana sy ny finoana ary ny fahadiovam-pitondran-tena.” —1 Timoty 4:12