LESONA 60

Fanjakana Haharitra Mandrakizay

Fanjakana Haharitra Mandrakizay

Nanonofy i Nebokadnezara Mpanjaka, indray alina. Hafahafa be ilay nofy, ka tsy nahita tory izy. Nantsoiny àry ny mpanao mazia, dia hoy izy: ‘Hazavao amiko ny nofiko.’ Dia hoy ry zareo: ‘Lazao anay ilay nofinao, ry mpanjaka ô!’ Hoy anefa i Nebokadnezara: ‘Lazao amiko ilay nofiko, fa raha tsy izany dia hovonoiko ianareo.’ Hoy indray ry zareo: ‘Lazao anay aloha ilay nofy, dia lazainay ny dikany.’ Hoy anefa izy: ‘Mitady hamitaka an’ahy fotsiny ianareo, fa lazao an’ahy ilay nofy.’ Dia hoy ry zareo: ‘Tsisy olona mahavita an’izany zavatra angatahinao izany.’

Tezitra be i Nebokadnezara, ka nasainy novonoina daholo ny mpanao mazia sy ny olon-kendry rehetra. Tokony hovonoina koa i Daniela, Sadraka, Mesaka, ary Abednego. Nangataka fotoana kely tamin’ny mpanjaka anefa i Daniela, dia nivavaka tamin’i Jehovah izy sy ny namany. Inona àry no nataon’i Jehovah?

Nasehon’i Jehovah tamin’i Daniela tao amin’ny fahitana ny nofin’i Nebokadnezara sy ny dikany. Ny ampitson’iny, dia hoy i Daniela tamin’ny mpiasan’ny mpanjaka: ‘Aza vonoina ny olon-kendry fa hoteneniko amin’ny mpanjaka ny dikan’ny nofiny.’ Rehefa nentina tany amin’i Nebokadnezara i Daniela, dia hoy izy: ‘Nasehon’Andriamanitra taminao ny zavatra hitranga amin’ny hoavy. Nanonofy ianao hoe nisy sarivongana ngezabe. Volamena ny lohany, volafotsy ny tratrany sy ny sandriny, varahina ny kibony sy ny feny, vy ny ranjony, ary vy misy tanimanga ny tongony. Dia nisy vato nendahana avy tamin’ny tendrombohitra nidona mafy tamin’ny tongony, dia potipotika ilay sarivongana, ary avy eo lasan’ny rivotra. Ilay vato kosa lasa tendrombohitra ngezabe, ka feno azy ny tany rehetra.’

Hoy koa i Daniela: ‘Izao no dikan’ny nofinao: Ny fanjakanao ilay loha volamena, ary fanjakana handimby anao ilay volafotsy. Ilay varahina kosa dia fanjakana anankiray hafa hanjaka eran-tany. Hisy fanjakana matanjaka be hoatran’ny vy aorian’izay. Farany dia hisy fanjakana iray voazarazara, satria misy vy ao amin’ilay izy dia misy tanimanga koa. Mafy be ilay vy, fa ilay tanimanga kosa malemy. Ilay vato lasa tendrombohitra dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Hopotipotehiny daholo ireo fanjakana ireo, fa izy kosa haharitra mandrakizay.’

Niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Daniela i Nebokadnezara. Dia hoy izy: ‘Ny Andriamanitrao no nampahafantatra an’ilay nofy taminao. Tsisy Andriamanitra hoatran’azy mihitsy.’ Tsy novonoin’i Nebokadnezara àry i Daniela, fa nataony lehiben’ny olon-kendry rehetra sady nataony mpitondra tao Babylona. Tena namaly ny vavak’i Daniela i Jehovah e?

“Nangonin’izany fanambarana izany ho amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara- magedona ireo.”—Apokalypsy 16:16