Fampidirana ny Fizarana 11

Fampidirana ny Fizarana 11

Tantara ao amin’ny Soratra Grika Kristianina no ato amin’ity fizarana ity. Teraka tao amin’ny fianakaviana mahantra i Jesosy, ary tao amin’ny tanàna kely anankiray ry zareo no nipetraka. Mpandrafitra ny dadany, ary niara-niasa izy mianaka. I Jesosy no hamonjy ny olombelona, sady nofidin’i Jehovah ho Mpanjakan’ilay Fanjakana any an-danitra. Raha manan-janaka ianao, dia hazavao hoe nofidin’i Jehovah tsara ny fianakavian’i Jesosy, ary narovany izy rehefa saika hamono azy i Heroda. Tsy maintsy tanteraka foana àry ny fikasan’i Jehovah. I Jaona kosa no nasainy nampiomana hoe ho avy i Jesosy. Hazavao koa hoe mbola kely i Jesosy dia efa tia ny tenin’i Jehovah.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

LESONA 68

Niteraka i Elizabeta

Fa nahoana ny vadin’i Elizabeta no notenenina hoe: ‘Tsy ho afaka hiteny ianao mandra-pahateraky ny zanakao?

LESONA 69

Nitsidika An’i Maria i Gabriela

Nilaza vaovao nanova ny fiainan’i Maria i Gabriela.

LESONA 70

Niteny ny Anjely hoe Teraka i Jesosy

Tonga dia nandeha nitady an’i Jesosy ireo mpiandry ondry, rehefa naheno hoe teraka izy.

LESONA 71

Narovan’i Jehovah i Jesosy

Te hamono an’i Jesosy ny mpanjaka ratsy fanahy anankiray.

LESONA 72

I Jesosy Tamin’izy Ankizilahy

Fa inona no notenenin’i Jesosy no toa gaga be ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly?

LESONA 73

Nampiomana i Jaona hoe ho Avy i Jesosy

Lasa mpaminany i Jaona rehefa lehibe. Nampianatra izy hoe ho avy ny Mesia. Tian’ny olona ve ny zavatra notoriny?