LESONA 73

Nampiomana i Jaona hoe ho Avy i Jesosy

Nampiomana i Jaona hoe ho Avy i Jesosy

Lasa mpaminany i Jaona, zanak’i Zakaria sy Elizabeta, rehefa lehibe. Nasain’i Jehovah nampianatra ny olona izy hoe efa ho avy ny Mesia. Tsy nampianatra tany amin’ny synagoga na tao an-tanàna anefa izy, fa nitory tany amin’ny tany karakaina. Olona avy any Jerosalema sy Jodia no tonga nihaino azy. Nilaza i Jaona hoe tsy tokony hanao ratsy intsony ry zareo raha te hampifaly an’Andriamanitra. Be dia be no nibebaka rehefa nihaino azy, ka nataony batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana.

Tsotra ny fiainan’i Jaona satria volon-drameva ny akanjony, ary valala sy tantelidia no sakafony. Hafakely izy ka mba te hahafantatra azy ny olona. Na ny Fariseo sy ny Sadoseo nanambony tena aza, tonga tany aminy koa. Hoy i Jaona tamin-dry zareo: ‘Mila miova sy mibebaka ianareo. Tsy hoe satria zanak’i Abrahama ianareo dia hoe ambony na hoe zanak’Andriamanitra.’

Be dia be no tonga tany amin’i Jaona dia nanontany hoe: ‘Inona no tokony hataonay mba hampifaliana an’Andriamanitra?’ Dia hoy i Jaona: ‘Raha manana akanjo roa ianareo, dia mba omeo an’izay sahirana ny iray.’ Fa nahoana izy no niteny an’izany? Tiany ho fantatry ny mpianany hoe tsy maintsy tia olona ry zareo vao ho faly amin-dry zareo Andriamanitra.

Hoy i Jaona tamin’ny mpanangona hetra: ‘Manaova ny marina, dia aza manambaka olona.’ Hoy kosa izy tamin’ny miaramila: ‘Aza manao tsolotra, dia aza mandainga.’

Tonga nanontany an’i Jaona koa ny mpisorona sy ny Levita, hoe: ‘Fa iza kay ianao? Te hahafantatra an’izany ny olona rehetra.’ Dia hoy i Jaona: ‘Toy ny feo any an-tany efitra aho ary mitarika ny olona hanatona an’i Jehovah, araka ny efa nolazain’i Isaia mialoha.’

Tena tian’ny olona ny zavatra nampianarin’i Jaona. Be dia be no nieritreritra hoe mety ho izy no Mesia. Hoy anefa izy: ‘Hisy olona lehibe noho izaho ho avy. Tsy mendrika ny hamaha ny kapany akory aza aho. Izaho manao batisa amin’ny rano, fa izy kosa hanao batisa amin’ny fanahy masina.’

“Tonga ho vavolombelona hanambara ny fahazavana izy, mba ho amin’ny alalany no inoan’ny karazan’olona rehetra.”—Jaona 1:7