LESONA 72

I Jesosy Tamin’izy Ankizilahy

I Jesosy Tamin’izy Ankizilahy

Nipetraka tany Nazareta i Josefa sy Maria ary Jesosy sy ireo zandriny. Mpandrafitra i Josefa, ary izany no namelomany ny fianakaviany. Nampianatra azy ireo momba an’i Jehovah sy ny Lalàny koa izy. Nandeha nivavaka tany amin’ny synagoga foana izy mianakavy, ary nankany Jerosalema isan-taona mba hankalaza ny Paska.

Rehefa 12 taona i Jesosy, dia nankany Jerosalema hoatran’ ny fanaony ny fianakaviany. Feno olona nankalaza ny Paska ilay tanàna tamin’izay. Rehefa vita ilay fety, dia nody ry Josefa sy Maria. Nieritreritra ry zareo hoe tafaraka tamin’ny havany hafa i Jesosy. Tsy hita anefa izy rehefa notadiavina.

Niverina tany Jerosalema ry zareo, ary nitady azy nandritra ny telo andro. Farany dia nankany amin’ny tempoly ry zareo. Dia io fa tao i Jesosy! Nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra izy, sady nihaino tsara no nanontany. Talanjona ny mpampianatra ka nametraka fanontaniana tamin’i Jesosy. Gaga be ry zareo tamin’ny valin-teniny satria tena nahay ny Lalàn’i Jehovah izy.

I Josefa sy Maria anefa efa nitebiteby nitady azy. Dia hoy i Maria: ‘Izahay efa nitady anao hatraiza hatraiza. Fa taiza foana ianao?’ Hoy i Jesosy: ‘Tsy fantatrareo angaha fa tsy maintsy ato an-tranon’ny Raiko aho?’

Nandeha nody tany Nazareta niaraka tamin’ny ray aman-dreniny i Jesosy avy eo. Nampianarin’i Josefa nandrafitra izy tany. Mba ankizilahy hoatran’ny ahoana àry i Jesosy? Hendry izy sady tian’Andriamanitra sy ny olona, dia hoatr’izany foana rehefa nihalehibe.

“Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô, ary ato anatiko ny lalànao.” —Salamo 40:8