Fampidirana ny Fizarana 12

Fampidirana ny Fizarana 12

Nampianarin’i Jesosy momba ny Fanjakan’ny lanitra ny olona, sady hivavaka hoe hohamasinina ny anaran’Andriamanitra, ho tonga ny Fanjakany, ary hatao etỳ an-tany ny sitrapony. Resaho amin’ny zanakao hoe zava-dehibe io vavaka io. Tsy nivadika mihitsy i Jesosy na dia nitaona azy aza i Satana. Nifidy an’ireo apostoly i Jesosy, ary ry zareo no voalohany amin’ireo hitondra ao amin’ilay Fanjakana. Tena nazoto niaro ny fivavahana marina i Jesosy. Tia nanampy olona koa izy ka nositraniny ny marary, nomeny sakafo ny noana, ary natsangany ny maty. Tiany haseho mantsy hoe hoatr’izany no hataon’ilay Fanjakana amin’ny hoavy.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

LESONA 74

Lasa Mesia i Jesosy

Nahoana i Jaona no niteny hoe i Jesosy no Zanak’ondrin’Andriamanitra?

LESONA 75

Naka Fanahy An’i Jesosy ny Devoly

Intelo ny Devoly no naka fanahy an’i Jesosy. Inona avy ireo fakam-panahy ireo? Dia ahoana hoy i Jesosy?

LESONA 76

Nanadio ny Tempoly i Jesosy

Nahoana i Jesosy no nandroaka ny biby tao an-tempoly sy nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola?

LESONA 77

Ilay Vehivavy teo Am-pantsakana

Gaga ilay vehivavy samaritanina hoe niresaka taminy i Jesosy. Nahoana? Fa inona no notenenin’i Jesosy taminy, nefa mbola tsy notenenin’i Jesosy tamin’iza na iza mihitsy?

LESONA 78

Nitory Momba An’ilay Fanjakana i Jesosy

Nasain’i Jesosy ho lasa “mpanarato olona” ny mpianany sasany. Nampiofaniny hitory ny vaovao tsara koa ny mpianany 70, tatỳ aoriana.

LESONA 79

Nanao Fahagagana Be dia Be i Jesosy

Na taiza na taiza nalehan’i Jesosy, dia nanatona azy ny marary ka nositraniny. Natsangany tamin’ny maty koa ny ankizivavy kely anankiray.

LESONA 80

Nifidy An’ireo Apostoly 12 i Jesosy

Nahoana i Jesosy no nifidy an-dry zareo? Tadidinao ve ny anaran-dry zareo?

LESONA 81

Ilay Toriteny teo An-tendrombohitra

Nampianatra zavatra tena mahasoa tamin’ny olona be dia be teo an-tendrombohitra i Jesosy.

LESONA 82

Nampianatra Hivavaka i Jesosy

Araka ny tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany, inona avy ny zavatra azon’izy ireo ‘angatahina foana’?

LESONA 83

Nanome Sakafo Olona An’arivony i Jesosy

Nanao fahagagana i Jesosy. Inona no ianarantsika avy amin’izany momba an’i Jesosy sy Jehovah?

LESONA 84

Nandeha teo Ambony Rano i Jesosy

Araka ny hevitrao, ahoana hoy ny apostoly rehefa nahita an’i Jesosy nandeha teo ambony rano?

LESONA 85

Nanasitrana Tamin’ny Sabata i Jesosy

Nahoana no nisy tsy faly rehefa nanasitrana i Jesosy?

LESONA 86

Nanangana An’i Lazarosy i Jesosy

Nitomany koa i Jesosy rehefa nahita an’i Maria nitomany. Lasa faly be anefa ry zareo avy eo.