LESONA 77

Ilay Vehivavy teo Am-pantsakana

Ilay Vehivavy teo Am-pantsakana

Taorian’ny Paska, dia niverina tany Galilia i Jesosy sy ny mpianany, fa nandalo tany Samaria aloha. Rehefa teo akaikin’ny tanànan’i Sykara, dia nijanona naka aina teo amin’ny toerana antsoina hoe fantsakan’i Jakoba i Jesosy. Ny mpianany kosa lasa nividy sakafo tao an-tanàna.

Nisy vehivavy tonga hantsaka tamin’izay. Hoy i Jesosy taminy: ‘Mba omeo rano ange aho hosotroiko e!’ Dia hoy izy: ‘Ary ianao toa miresaka amiko nefa izaho Samaritanina? Tsy miresaka aminay ange ny Jiosy e!’ Dia hoy i Jesosy: ‘Raha fantatrao hoe iza aho, dia hangataka rano amiko ianao, dia homeko rano velona.’ Hoy ilay vehivavy: ‘Ianao aza tsy manana fakana rano akory.’ Dia hoy i Jesosy: ‘Izay misotro amin’ny rano omeko azy dia tsy hangetaheta intsony.’ Hoy ilay vehivavy: ‘Mba omeo amin’izany aho, tompoko.’

Hoy i Jesosy taminy: ‘Ento atỳ ny vadinao.’ Fa hoy izy: ‘Tsy manambady aho.’ Dia hoy i Jesosy: ‘Ie, marina izany. Efa indimy nanambady ianao, ary tsy vadinao ilay lehilahy miara-mipetraka aminao izao.’ Dia hoy ilay vehivavy: ‘Mpaminany ianao! Izahay mino hoe eto amin’ity tendrombohitra ity no tokony hivavahana amin’Andriamanitra, fa ny Jiosy miteny hoe any Jerosalema ihany. Izaho mino fa rehefa tonga ny Mesia, dia hampianatra antsika hivavaka izy.’ Dia hoy i Jesosy: ‘Izaho no Mesia.’ Mbola tsy niteny an’izany tamin’olona mihitsy i Jesosy.

Nankao an-tanàna haingana ilay vehivavy, ary niteny tamin’ny Samaritanina hoe: ‘Hoatran’ny Mesia ilay hitako arỳ. Fantany daholo ny momba an’ahy. Andao ange hijery an’azy e!’ Dia nanaraka azy tany am-pantsakana ny olona ka nihaino an’i Jesosy nampianatra.

Nasain-dry zareo nijanona tao an-tanàna i Jesosy. Nampianatra tao roa andro izy ka be dia be no lasa nino azy. Hoy ry zareo tamin’ilay vehivavy: ‘Rehefa nihaino an’azy izahay, dia mino hoe izy tokoa no hanavotra an’izao tontolo izao.’

“‘Avia!’ Ary aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.”—Apokalypsy 22:17