LESONA 80

Nifidy An’ireo Apostoly 12 i Jesosy

Nifidy An’ireo Apostoly 12 i Jesosy

Efa herintaona sy tapany izao i Jesosy no nitory. Hisy zava-dehibe tsy maintsy hataony anefa. Hifidy mantsy izy hoe iza no hiara-hiasa aminy akaiky, sady hampianariny mba hitarika ny fiangonana kristianina. Nila nampian’i Jehovah i Jesosy mba hahay hifidy tsara. Nankany amin’ny tendrombohitra anankiray àry izy, ka nivavaka nandritra ny alina. Rehefa maraina ny andro dia nantsoiny ny mpianany sasany, ary nifidy 12 tamin’ireo izy hataony apostoly. Iza avy ny apostoly tadidinao? Ireto avy ry zareo: Petera, Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartolomeo, Tomasy, Matio, Jakoba zanak’i Alfeo, Tadeo, Simona, ary Jodasy Iskariota.

Andrea, Petera, Filipo, Jakoba

Niaraka tamin’i Jesosy foana izy 12 lahy. Nampianariny aloha ry zareo, dia nalefany nitory irery amin’izay. Nomen’i Jehovah hery koa ry zareo ka afaka nanasitrana marary sy namoaka demonia.

Jaona, Matio, Bartolomeo, Tomasy

Nantsoin’i Jesosy hoe namany ny apostoly 12, ary natoky an-dry zareo izy. Ny Fariseo kosa nihevitra an-dry zareo hoe olon-tsotra sy tsy nahita fianarana. Nampianarin’i Jesosy hahay tsara ny asa nampanaovina azy anefa ry zareo. Niaraka taminy ry zareo tamin’ny fotoana niavaka teo amin’ny fiainany, ohatra hoe talohan’ny nahafatesany sy taorian’ny nananganana azy. Avy any Galilia hoatran’i Jesosy ny ankamaroan’ny apostoly, ary nisy nanambady.

Jakoba zanak’i Alfeo, Jodasy Iskariota, Tadeo, Simona

Tsy lavorary ny apostoly ka nanao fahadisoana. Tsy nieritreritra tsara ry zareo indraindray, ka niteniteny foana na nanaonao foana. Nisy fotoana koa ry zareo tsy nahay niandry. Nifamaly mihitsy aza ry zareo hoe iza no lehibe taminy. Tena tia an’i Jehovah anefa ry zareo. Ry zareo no hitarika ny fiangonana kristianina rehefa lasa i Jesosy.

‘Antsoiko hoe namana ianareo, satria ampahafantariko anareo izay rehetra reko avy tamin’ny Raiko.’—Jaona 15:15