LESONA 86

Nanangana An’i Lazarosy i Jesosy

Nanangana An’i Lazarosy i Jesosy

Nipetraka tany Betania i Lazarosy sy Maria ary Marta anabaviny, ary naman’i Jesosy be ry zareo. Indray mandeha, tamin’i Jesosy mbola tany ampitan’ny Reniranon’i Jordana, dia nandefa hafatra ho azy i Marta sy Maria hoe: ‘Tongava haingana fa marary be i Lazarosy.’ Tsy tonga dia nandeha anefa i Jesosy fa mbola niandry roa andro. Dia hoy izy tamin’ny apostoly: ‘Andao ho any Betania fa matory i Lazarosy, dia andeha hofohaziko.’ Dia hoy ry zareo: ‘Tena ilain’i Lazarosy mihitsy ilay matory. Mahasalama an’azy izany.’ Notsorin’i Jesosy anefa hoe maty i Lazarosy.

Efa voalevina efatra andro i Lazarosy vao tonga tany Betania i Jesosy. Be dia be ny olona namangy an’i Marta sy Maria. Rehefa henon’i Marta hoe tonga any i Jesosy, dia nihazakazaka nitsena azy izy. Hoy izy: ‘Tompo ô, raha mba tatỳ ianao dia tsy maty ny anadahiko.’ Hoy i Jesosy: ‘Ao fa ho velona indray ny anadahinao. Mino an’izany ve ianao ry Marta?’ Dia hoy i Marta: ‘Mino aho hoe hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty.’ Hoy i Jesosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.”

Nankany amin’i Maria i Marta avy eo dia niteny hoe: ‘Tonga ao i Jesosy.’ Nihazakazaka nankany amin’i Jesosy i Maria ary nanaraka azy ny olona. Dia nitomany be teo an-tongony izy, sady niteny hoe: ‘Tompo ô, raha mba tatỳ ianao dia tsy maty ny anadahinay.’ Hitan’i Jesosy hoe tena nalahelo be i Maria ka latsaka koa ny ranomasony. Dia hoy ny olona rehefa nahita an’i Jesosy nitomany: ‘Tena tiany tokoa i Lazarosy.’ Nisy kosa niteny hoe: ‘Fa maninona anefa izy no tsy nampiany?’ Inona izao no hataon’i Jesosy?

Nankany amin’ilay fasana i Jesosy avy eo. Vato be ny varavaran’ilay izy ka hoy i Jesosy: ‘Esory io vato io.’ Hoy i Marta: ‘Efa efatra andro ange izy izay no tao e! Maimbo be izy izao.’ Nesorina ihany anefa ilay vato, dia nivavaka i Jesosy hoe: ‘Ray ô, misaotra anao aho satria mihaino an’ahy ianao. Fantatro fa mihaino an’ahy foana ianao. Tiako ho fantatr’ireto olona ireto anefa hoe ianao no naniraka an’ahy.’ Dia niantsoantso mafy izy hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Dia iny tokoa fa nivoaka i Lazarosy ary mbola nifono lambam-paty. Hoy i Jesosy: “Vahao izy, ka avelao handeha.”

Be dia be no lasa nino an’i Jesosy rehefa nahita an’izany. Nisy kosa lasa nitantara tany amin’ny Fariseo. Te hamono an’i Jesosy sy Lazarosy àry ny Fariseo. Nandeha mangingina tany amin’ny Fariseo koa i Jodasy Iskariota, anisan’ny apostoly 12, ka niteny hoe: ‘Homenareo ohatrinona aho dia hampiako hahita an’i Jesosy ianareo?’ Nanaiky hanome azy vola madinika volafotsy 30 ry zareo. Nanomboka teo àry dia nitady hevitra i Jodasy mba hanampiana ny Fariseo hisambotra an’i Jesosy.

“Ilay tena Andriamanitra no Andriamanitra mpamonjy antsika. Ary i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony, no manafaka amin’ny fahafatesana.” —Salamo 68:20