LESONA 79

Nanao Fahagagana Be dia Be i Jesosy

Nanao Fahagagana Be dia Be i Jesosy

Tonga tetỳ an-tany i Jesosy mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tian’i Jehovah ho fantatry ny olona mantsy ny zavatra hataon’i Jesosy rehefa lasa Mpanjaka izy. Nomeny fanahy masina àry izy mba hanao fahagagana. Afaka nanasitrana ny marary rehetra nanatona azy izy, na taiza na taiza nisy azy. Ny jamba lasa nahita, ny marenina lasa nandre, ny malemy afaka nandeha, ary sitrana izay nisy demonia. Na dia nikasika ny sisin’akanjon’i Jesosy fotsiny aza ry zareo dia sitrana. Nanaraka azy foana àry ny olona. Indraindray izy mba te hitokana kely, nefa mbola nisy tonga ihany, dia nampiany.

Indray mandeha, dia nisy lehilahy malemy nentin’ny olona tany amin’ny trano nisy an’i Jesosy. Be olona be anefa tany ka tsy tafiditra ry zareo. Nolavahan-dry zareo àry ny tafo dia nampidininy teo ilay lehilahy. Hoy i Jesosy taminy: ‘Mitsangàna dia mandehana.’ Gaga be ny olona fa sitrana izy.

Nankao amin’ny tanàna kely iray i Jesosy indray andro, ary nisy boka folo lahy teny lavidavitra teny. Tsy nahazo niaraka tamin’ny olona mantsy ny boka tamin’izany. Niantsoantso ry zareo hoe: ‘Mba ampio izahay Jesosy ô!’ Dia nasain’i Jesosy nankany amin’ny tempoly ry zareo. Izany mantsy no tsy maintsy nataon’izay boka sitrana, araka ny Lalàn’i Jehovah. Sitrana tokoa ry zareo rehefa teny an-dalana. Nandeha niverina nisaotra an’i Jesosy ny anankiray sady nidera an’Andriamanitra. Izy ihany no mba nisaotra azy.

Nisy vehivavy anankiray narary nandritra ny 12 taona, ary tena te ho sitrana izy. Hitany tao anaty vahoaka i Jesosy dia narahiny avy tao aoriana, ary nokasihiny ny sisin’akanjony ivelany. Tonga dia sitrana izy. Dia hoy i Jesosy: ‘Iza no nikasika an’ahy teo?’ Natahotra be izy nefa nanatona an’i Jesosy ihany ary nilaza ny marina. Dia hoy i Jesosy: ‘Mirary soa ho anao aho, anaka.’

Nisy olona ambony atao hoe Jairo niangavy an’i Jesosy hoe: ‘Mba andao re ho any aminay fa marary be ny zanako vavy e!’ Mbola tsy tonga tany akory anefa i Jesosy dia maty ilay ankizivavy. Rehefa tonga i Jesosy, dia nahita olona be dia be namangy an’ilay fianakaviana. Dia hoy izy: ‘Aza mitomany fa matory fotsiny izy.’ Noraisiny ny tanan’ilay ankizivavy avy eo, ary hoy izy: ‘Mitsangàna!’ Tonga dia niarina ilay ankizivavy. Hoy i Jesosy tamin’ny ray aman-dreniny: ‘Omeo sakafo izy.’ Tsy maintsy hoe faly be izao ry zareo e?

‘Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahy masina sy ny hery izy. Ary nandeha hatraiza hatraiza izy ka nanao soa sy nanasitrana an’izay rehetra nampahorin’ny Devoly, satria nomba azy Andriamanitra.’ —Asan’ny Apostoly 10:38