LESONA 83

Nanome Sakafo Olona An’arivony i Jesosy

Nanome Sakafo Olona An’arivony i Jesosy

Taona 32 tamin’izay, ary efa ho tonga ny Paska. Reraka ny apostoly fa avy nitory lavitra be. Nasain’i Jesosy niaraka taminy nankany Betsaida àry ry zareo mba haka aina. Rehefa akaiky ho tonga anefa ilay sambokely nitondra an-dry zareo, dia hay efa feno olona nanaraka an-dry zareo teny amoron-drano. Mba te hitokana kely niaraka tamin’ny mpianany i Jesosy, nefa mbola noraisiny tsara ihany ilay vahoaka. Nanasitrana ny marary izy ary nampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra, nandritra an’iny andro iny. Rehefa hariva ny andro, dia hoy ny apostoly taminy: ‘Noana be izao ireo olona ireo, fa aleo asaina mandeha mitady sakafo.’

Dia hoy i Jesosy: ‘Aza alefa mandeha izany ry zareo fa omeo zavatra hohaniny.’ Dia hoy ny apostoly: ‘Andeha hividy sakafo ho an-dry zareo izany izahay?’ Hoy koa i Filipo, iray tamin’ny apostoly: ‘Na vola be aza tsy ho ampy hividianantsika mofo ho an’ireo olona be dia be ireo.’

Hoy i Jesosy: ‘Inona ny sakafo misy ao?’ Dia hoy i Andrea: ‘Mofo dimy sy trondro kely roa fotsiny.’ Hoy indray i Jesosy: ‘Ento atỳ àry izany e!’ Dia nasainy nipetraka teny amin’ny bozaka ny olona ary nitambatambatra 50 na 100. Noraisin’i Jesosy ilay mofo sy trondro, ary nijery ny lanitra izy dia nivavaka. Ny apostoly aloha no nomeny an’ilay sakafo, dia ireo indray no nizara an’ilay izy tamin’ny lehilahy 5 000 sy tamin’ny vehivavy sy ankizy. Nihinana daholo ny olona dia voky. Nangonin’ny apostoly ny ambin’ilay sakafo avy eo ka nahafeno harona 12. Tena fahagagana tokoa ilay nataon’i Jesosy!

Gaga be ny olona ka tian-dry zareo hatao mpanjaka i Jesosy. Fantatr’i Jesosy anefa hoe mbola tsy tamin’izay ny fotoana tian’i Jehovah hanaovana azy ho mpanjaka. Nalefany nandeha àry ny vahoaka, fa ny apostoly kosa nasainy nankeny ampitan’ny Ranomasin’i Galilia. Nandeha sambo ry zareo fa i Jesosy nankany an-tendrombohitra. Te hivavaka tamin’ny Rainy mantsy izy. Na be dia be aza ny zavatra nataon’i Jesosy, dia nanokana fotoana hivavahana foana izy.

“Aza miasa hahazoana sakafo mety simba, fa miasà kosa hahazoana sakafo maharitra izay mitondra fiainana mandrakizay, dia ny sakafo homen’ny Zanak’olona anareo.”—Jaona 6:27