LESONA 90

Maty tao Golgota i Jesosy

Maty tao Golgota i Jesosy

Nentin’ny lehiben’ny mpisorona tany amin’ny governora i Jesosy. Dia hoy i Pilato: ‘Fa inona ny zavatra ratsy nataon’ity lehilahy ity?’ Hoy ry zareo: ‘Lazainy fa mpanjaka, hono, izy.’ Hoy i Pilato tamin’i Jesosy: ‘Mpanjakan’ny Jiosy tokoa ve ianao?’ Dia hoy i Jesosy: ‘Tsy avy amin’izao tontolo izao ny Fanjakako.’

Nalefan’i Pilato tany amin’i Heroda, mpanjakan’i Galilia, i Jesosy, sao mba mahita porofo hamonoana an’i Jesosy i Heroda. Tsy nahita anefa izy, ka naveriny tany amin’ny Pilato i Jesosy. Dia hoy i Pilato: ‘I Heroda koa aza mba tsy mahita hoe nanao ratsy ity lehilahy ity, fa halefako izy.’ Dia hoy ny olona: ‘An an an! Vonoy izy!’ Nokaravasin’ny miaramila i Jesosy, dia nororany sy nokapohiny. Nasian-dry zareo satroka tsilo teo amin’ny lohany avy eo, dia nesoesoiny izy hoe: ‘Manahoana ianao ry Mpanjakan’ny Jiosy ô!’ Hoy indray i Pilato: ‘Efa hoe tsy nanao ratsy izany io lehilahy io.’ Niantsoantso anefa ny olona hoe: “Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy!” Nasain’i Pilato novonoina àry izy.

Nentin’ny miaramila tany Golgota i Jesosy avy eo. Nofantsihan-dry zareo teo amin’ny hazo izy, dia natsangany ilay hazo. Nivavaka anefa i Jesosy hoe: ‘Ray ô, mamelà an-dry zareo, fa tsy fantany izay ataony.’ Nesoesoin’ny olona izy hoe: ‘Midìna teny raha Zanak’Andriamanitra tokoa ianao! Mba vonjeo ny tenanao e!’

Nisy olon-dratsy anankiroa nihantona teo akaikin’i Jesosy. Hoy ny anankiray: ‘Mba tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny Fanjakanao ianao.’ Dia hoy i Jesosy: ‘Ao fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.’ Mbola antoandro ny andro tamin’izay nefa lasa maizina be, nandritra ny adiny telo. Nisy mpianatra nijorojoro teo akaikin’i Jesosy, ary teo koa i Maria reniny. Dia hoy i Jesosy tamin’i Jaona: ‘Mba karakarao izy dia ataovy hoatran’ny hoe mamanao mihitsy!’

Hoy i Jesosy tamin’ny farany: “Vita.” Niondrika izy dia maty. Nisy horohoron-tany be tamin’izay. Dia nizara roa ilay ridao natevina be nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra tao amin’ny tempoly. Nisy lehiben’ny miaramila niteny avy eo hoe: ‘Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io.’

“Na firy na firy ny fampanantenan’Andriamanitra, dia tonga Eny ireny amin’ny alalan’ny Zanany.” —2 Korintianina 1:20