LESONA 89

Nanda An’i Jesosy i Petera

Nanda An’i Jesosy i Petera

Hoy i Jesosy tamin’ny apostoly, tamin-dry zareo mbola tao amin’ilay efitra ambony rihana: ‘Hilaozanareo rehetra izao ’zaho androany alina.’ Dia hoy i Petera: ‘Izaho tsy hanao an’izany mihitsy. Na handositra daholo aza ireo, dia izaho hiaraka aminao foana.’ Hoy anefa i Jesosy: ‘Ianao io mihitsy aza no hiteny hoe tsy mahafantatra an’ahy, sady intelo be izao, raha mbola tsy maneno akory ny akoho.’

Nandositra tokoa ny apostoly, rehefa nentin’ny miaramila tany amin’i Kaiafa i Jesosy. Nisy apostoly anankiroa kosa nanaraka an’ilay vahoaka teny. I Petera ny iray tamin’ireo. Nankeo an-tokotanin-dry Kaiafa izy, dia nitanina afo teo. Nisy vehivavy niasa tao anefa nahita an’i Petera, dia niteny hoe: ‘Fantatro ianao! Naman’i Jesosy koa ianao.’

Hoy i Petera: ‘Tsy azoko mihitsy ny zavatra teneninao.’ Nankeny amin’ny vavahady izy avy eo, dia nisy mpiasa hafa indray nahita azy. Hoy ilay ankizivavy: ‘Niaraka tamin’i Jesosy mihitsy io!’ Dia hoy i Petera: ‘Tsy haiko akory aza hoe iza izany!’ Dia nisy lehilahy niteny hoe: ‘Hita fa na ny fiteninao aza fantatra be hoe avy any Galilia, hoatran’ny fitenin’i Jesosy.’ Hoy anefa i Petera: ‘Tena mba marina raha fantatro izany e!’

Tonga dia nisy akoho naneno tamin’izay. Hitan’i Petera i Jesosy nitodika tany aminy, dia tadidiny ilay tenin’i Jesosy. Lasa nivoaka àry izy dia nitomany be.

Ny Fitsarana Avo Jiosy tamin’izay efa nivory tao amin’i Kaiafa mba hitsara an’i Jesosy. Efa hoe hamono an’i Jesosy no tao an-tsain-dry zareo, fa nitady porofo fotsiny sisa ry zareo. Tsy nahita mihitsy anefa ry zareo. Farany dia hoy i Kaiafa tamin’i Jesosy: ‘Tena Zanak’Andriamanitra ve ianao?’ Dia hoy i Jesosy: ‘Ie.’ Dia hoy i Kaiafa: ‘Inona intsony ny porofo tadiavintsika, fa izy aza miteny ratsy an’Andriamanitra?’ Namoaka didy àry ny fitsarana hoe hovonoina izy. Nofelahan-dry zareo izy dia nororany. Notampenan-dry zareo koa ny masony, dia nomeny ny totohondry izy sady noteneniny hoe: ‘Mpaminany, hono, ianao? Iza àry no namely anao teo?’

Nentin-dry zareo tany amin’ny trano fitsarana i Jesosy ny ampitson’iny, dia nanontaniany hoe: ‘Tena Zanak’Andriamanitra ve ianao?’ Dia hoy i Jesosy: ‘Ie.’ Nolazain-dry zareo fa niteny ratsy an’Andriamanitra izy, ka nentiny tany amin’i Pontio Pilato, governora romanina. Dia inona no nitranga?

‘Efa tonga ny fotoana hanaparitahana anareo ho any amin’izay misy anareo avy, ary hilaozanareo ho irery aho. Tsy irery anefa aho satria eo ny Raiko.’—Jaona 16:32