LESONA 93

Niverina Nankany An-danitra i Jesosy

Niverina Nankany An-danitra i Jesosy

Nifankahita tamin’ny mpianany i Jesosy tany Galilia. Nisy zava-dehibe noteneniny tamin-dry zareo tamin’izay. Hoy izy: ‘Mandehana mampianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra. Dia ampianaro an-dry zareo izay nampianariko anareo, ary ataovy batisa ry zareo.’ Hoy koa izy: ‘Tadidio fa hanampy anareo foana aho.’

Niseho tamin’ny mpianany be dia be i Jesosy tany Galilia sy Jerosalema, nandritra ny 40 andro taorian’ny nitsanganany. Nampianatra zavatra lehibe koa izy sady nanao fahagagana. Teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy sy ny apostoly no niaraka farany. Hoy izy: ‘Aza miala eto Jerosalema, fa eto ianareo no homen’ny Ray an’ilay zavatra efa noteneniny.’

Tsy azon’ny apostoly izay tian’i Jesosy hotenenina. Dia nanontany azy ry zareo hoe: ‘Ho lasa Mpanjakan’ny Israely amin’izay ve ianao?’ Hoy i Jesosy: ‘Mbola tsy amin’izao aho no tian’i Jehovah hatao ho Mpanjaka. Fa kely sisa dia hahazo ny fanahy masina ianareo ary ho lasa vavolombeloko. Dia mandehana mitory any Jerosalema sy Jodia sy Samaria ary hatrany amin’ny faritra lavitra be.’

Niakatra tany an-danitra i Jesosy avy eo ary notakonan’ny rahona. Mbola nijery teo foana ny mpianany nefa izy efa tsy hita intsony.

Niala teo amin’ny Tendrombohitra Oliva ny mpianany avy eo ary nankany Jerosalema. Dia niaraka nivory sy nivavaka foana tao amin’ny efitra anankiray ambony rihana ry zareo. Efa niandriandry koa ireo mpianatra, satria mbola hisy zavatra hafa hatoron’i Jesosy an-dry zareo.

“Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14