LESONA 92

Niseho Tamin’ny Mpanarato i Jesosy

Niseho Tamin’ny Mpanarato i Jesosy

Nandeha nanarato tany amin’ny Ranomasin’i Galilia i Petera, rehefa avy niseho tamin’ny apostoly i Jesosy. Niaraka tamin’i Petera koa i Tomasy, Jakoba, Jaona, ary ny mpianatra vitsivitsy. Nanarato nandritra ny alina ry zareo fa tsy nahazo trondro mihitsy.

Vao maraina be, dia nahita lehilahy teo amoron-drano ry zareo. Hoy ilay lehilahy: ‘Nahazo trondro ve ianareo?’ Dia hoy ry zareo: ‘Tsy nahazo!’ Hoy indray ilay lehilahy: ‘Atsipazo eo ankavanan’ny sambokely àry ny haratonareo.’ Dia nataon-dry zareo izany ka feno trondro ilay harato, ary nila tsy ho zaka nampiakarina tao anaty sambo. Tonga saina i Jaona hoe i Jesosy io. Dia hoy izy: “Ny Tompo io!” Tonga dia nitsoraka i Petera ka nilomano nankeny amoron-drano, fa ny mpianatra hafa kosa nandeha sambo ihany.

Nahita trondro sy mofo nandrahoina teo ambony afo ry zareo rehefa tonga teny amorony. Dia nasain’i Jesosy nanome trondro ry zareo ho fanampin’ilay sakafo efa teo. Hoy i Jesosy avy eo: ‘Andao isika hisakafo.’

Rehefa avy nisakafo ry zareo, dia nanontany an’i Petera i Jesosy hoe: ‘Izaho ve no tianao kokoa noho ny manarato?’ Dia hoy i Petera: ‘Ie, ary efa fantatrao izany Tompo ô!’ Hoy i Jesosy: ‘Omeo sakafo àry ny ondrikeliko.’ Dia nanontany indray i Jesosy hoe: ‘Tena tia an’ahy ve ianao ry Petera?’ Hoy izy: ‘Efa fantatrao fa tia anao aho.’ Hoy i Jesosy: “Andraso àry ny ondrikeliko.” Dia nanontany fanintelony izy ary nalahelo be i Petera. Dia hoy i Petera: ‘Tompo ô, fantatrao ny zava-drehetra. Fantatrao hoe tena tia anao aho.’ Hoy i Jesosy: ‘Omeo sakafo àry ny ondrikeliko.’ Hoy koa izy: ‘Manaraha an’ahy foana.’

“Hoy i Jesosy taminy: ‘Andao hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.’ Dia nandao ny haratony avy hatrany ireo, ka nanaraka azy.”—Matio 4:19, 20