LESONA 102

Nanoratra ny Apokalypsy i Jaona

Nanoratra ny Apokalypsy i Jaona

Nigadra tany amin’ny nosy Patmo ny apostoly Jaona, ary tamin’izay i Jesosy no nampiseho azy fahitana 16. Hitany tao ny momba ny hoavy, ohatra hoe hohamasinina amin’izay ny anaran’i Jehovah, ho tonga ny Fanjakany, ary hatao any an-danitra sy eto an-tany ny sitrapony.

Nahita an’i Jehovah teo amin’ny seza fiandrianany i Jaona tao amin’ny fahitana iray. Nisy anti-panahy 24 nanodidina azy, ary nanao akanjo fotsy sy satroboninahitra volamena ry zareo. Nisy tselatra sy feona kotroka koa avy teo amin’ilay seza fiandrianana. Niankohoka nivavaka tamin’i Jehovah ireo anti-panahy 24. Nahita olona be dia be avy amin’ny firenena sy foko ary fiteny samy hafa i Jaona, tao amin’ny fahitana hafa. Nivavaka tamin’i Jehovah koa ireo olona ireo. Ny Zanak’ondry, izany hoe i Jesosy, no mpiandry an-dry zareo sady nitondra azy teny amin’ny ranon’aina. Tao amin’ny fahitana hafa indray, dia lasa Mpanjaka tany an-danitra i Jesosy sy ireo anti-panahy 24. Hitan’i Jaona avy eo i Jesosy niady tamin’i Satana, ilay dragona, sy ny demonia. Noroahiny avy any an-danitra ry zareo ka natsipiny tetỳ an-tany.

Hitan’i Jaona indray avy eo ny Zanak’ondry sy ny 144 000 nijoro teo amin’ny Tendrombohitra Ziona. Dia hitany koa ny anjely anankiray nanodidina ny tany, niteny tamin’ny olona hoe: ‘Matahora an’Andriamanitra ary omeo voninahitra izy.’

Tao amin’ny fahitana hafa kosa, dia nipoaka ny ady Hara-magedona. Resin’i Jesosy sy ny miaramilany ny mpanao ratsy rehetra naman’i Satana. Farany, dia hitan’i Jaona hoe milamina be amin’izay ny any an-danitra sy ny eto an-tany. Ringana mantsy i Satana sy ny taranany. Manamasina ny anaran’i Jehovah daholo ny any an-danitra sy ny eto an-tany, ary mivavaka aminy irery ihany.

“Hataoko mifandrafy ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Hanorotoro ny lohanao izy io, ary ianao kosa handratra azy eo amin’ny voditongony.”—Genesisy 3:15