LESONA 96

Nifidy An’i Saoly i Jesosy

Nifidy An’i Saoly i Jesosy

Romanina i Saoly, ary teraka tany Tarsosy. Fariseo izy ary tena nahay ny Lalàna Jiosy. Tena tsy tiany anefa ny Kristianina ka nalehany tany an-tranony dia notaritaritiny hivoaka, ary avy eo nogadrainy. Nataony an’izany na lehilahy na vehivavy. Tsy nampaninona azy koa ny nijery an’i Stefana notorahan’ny olona vato dia maty.

Rehefa avy nisambotra ny Kristianina tany Jerosalema i Saoly, dia tiany hosamborina koa ny tany Damaskosy. Niteny tamin’ny mpisoronabe àry izy dia avy eo nandeha nankany. Rehefa akaiky ho tonga izy, dia nahita mazava be tampoka ka nianjera. Naheno feo izy niteny hoe: ‘Saoly, fa maninona aho no tsy tianao mihitsy dia henjehinao?’ Dia hoy i Saoly: ‘Fa iza ianao?’ Dia namaly ilay feo hoe: ‘Jesosy. ’Ndana mankany Damaskosy fa misy zavatra tsy maintsy hataonao any.’ Tonga dia lasa jamba i Saoly ka tsy maintsy notantanana.

Nisy Kristianina atao hoe Ananiasy tany Damaskosy. Niresaka taminy tao amin’ny fahitana i Jesosy, hoe: ‘Mandehana mankany an-tranon’i Jodasy, any amin’ilay lalana hoe Imahitsy, dia tadiavo i Saoly.’ Dia hoy i Ananiasy: ‘Tompo ô! Fantatrao tsara fa ratsy toetra be iny lehilahy iny. Gadrainy daholo ange ny mpianatrao e!’ Hoy anefa i Jesosy: ‘Mandehana fa efa nofidiko izy hitory ny vaovao tsara any amin’ny firenena be dia be.’

Lasa nitady an’i Saoly àry i Ananiasy. Dia hoy izy rehefa nahita an’i Saoly: ‘Nirahin’i Jesosy hanasitrana anao aho.’ Tonga dia nahita indray i Saoly. Nianatra momba an’i Jesosy izy avy eo, ka lasa Kristianina. Rehefa vita batisa izy, dia nitory tany amin’ny synagoga niaraka tamin’ny Kristianina hafa. Tsy maintsy hoe taitra be izao ny Jiosy nahita azy nampianatra momba an’i Jesosy! Hoy ry zareo: ‘Fa tsy io ve ilay rangahy nisambotra ny mpianatr’i Jesosy iny foana e?’

Nitory tany Damaskosy foana i Saoly nandritra ny telo taona. Lasa tsy tian’ny Jiosy àry izy ka notadiavin-dry zareo hovonoina. Lasa fantatry ny mpiara-manompo anefa ilay tetika, ka nampiany handositra i Saoly. Nataony tao anaty sobika izy, dia nampidininy avy teo amin’ny varavarankely anankiray teo amin’ny mandan’ilay tanàna.

Nankany Jerosalema i Saoly, dia nitady Kristianina tany. Natahotra azy anefa ry zareo. Soa ihany fa tsara fanahy taminy ny mpianatra atao hoe Barnabasy, dia nitondra azy tany amin’ny apostoly. Izy no nandresy lahatra an-dry zareo hoe efa tena niova i Saoly. Lasa nazoto nitory ny vaovao tsara tany Jerosalema niaraka tamin’ny fiangonana i Saoly. Lasa nantsoina hoe Paoly izy tatỳ aoriana.

“Tonga teo amin’izao tontolo izao i Kristy Jesosy mba hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany tamin’ireny.”—1 Timoty 1:15