LESONA 98

Nitory Hatraiza Hatraiza ny Kristianina

Nitory Hatraiza Hatraiza ny Kristianina

Narahin’ny apostoly ny tenin’i Jesosy hoe hitory eran-tany. Nirahina hitory tany amin’ny toerana be dia be i Paoly sy Barnabasy, tamin’ny taona 47. Niainga avy tao Antiokia àry ry zareo dia nitory eran’i Azia Minora, ka tonga tany Derbe sy Lystra ary Ikonioma.

Nitorian’izy roa lahy daholo na mahantra na manankarena, na antitra na tanora. Be dia be àry no lasa nino an’i Kristy. Nitory tamin’ i Sergio Paolo, governora tany Sipra, i Paoly sy Barnabasy indray mandeha. Nisy mpilalao ody anefa nanakana azy roa lahy. Dia hoy i Paoly tamin’ilay mpilalao ody: ‘Hamely anao izao i Jehovah.’ Tonga dia lasa jamba ilay lehilahy. Lasa nino an’i Jesosy i Paolo Governora rehefa nahita an’izany.

Nitory isan-trano i Paoly sy Barnabasy, teny an-tsena, teny an-dalana, ary tany amin’ny synagoga. Nanasitrana lehilahy malemy ry zareo tany Lystra. Nieritreritra àry ny olona hoe andriamanitra izy roa lahy, ka te hivavaka tamin-dry zareo ny olona. Hoy anefa izy roa lahy: ‘Andriamanitra no tokony hivavahana ka! Izahay ange olona ihany e!’ Nisy Jiosy tonga tamin’izay, nampirisika ny olona hitora-bato an’i Paoly. Notaritaritin-dry zareo tany ivelan’ny tanàna izy avy eo, ary navelany ho faty tany. Tsy maty anefa i Paoly! Tonga dia novonjen’ny mpiara-manompo izy ka nentiny tao an-tanàna. Niverina tany Antiokia i Paoly taorian’izay.

Nandeha tany amin’ny faritra hafa i Paoly tamin’ny taona 49. Nitsidika fiangonana tany Azia Minora izy, dia nitory hatrany Eoropa. Nankany Atena, Efesosy, Filipy, Tesalonika izy, ary nankany an-toeran-kafa. Niaraka taminy i Silasy sy Lioka ary Timoty. Lasa nisy fiangonana tany amin’izay nitoriany, dia nampahery an’ireny fiangonana ireny ry zareo. Nijanona herintaona sy tapany tany Korinto i Paoly, mba hampahery ny Kristianina tany. Nitory izy, nampianatra, ary nanoratra taratasy ho an’ny fiangonana be dia be. Mpanao tranolay ny asany tamin’izay. Niverina tany Antiokia izy tatỳ aoriana.

Niainga tany Azia Minora indray i Paoly tamin’ny taona 52. Nandeha lavitra be izy ka nitory hatrany Filipy tany avaratra, dia avy eo nankany Korinto. Nijanona taona maromaro tany Efesosy i Paoly taorian’izay. Nampianatra sy nanasitrana ary nanampy ny fiangonana izy tany. Nanao lahateny tao amin’ny trano fianarana koa izy isan’andro. Be dia be ny olona nihaino dia niova. Nankany Jerosalema i Paoly tamin’ny farany.

“Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.”—Matio 28:19