Fampidirana ny Fizarana 2

Fampidirana ny Fizarana 2

Nahoana no naringan’i Jehovah tamin’ny safodrano ny olona? Vao nisy kelikely ny olombelona, dia nisy nanao ratsy ary nisy nanao ny tsara. Nanao ratsy, ohatra, i Adama sy Eva ary Kaina, fa nanao ny tsara kosa i Noa sy Abela. Lasa be dia be anefa no nanao zavatra tena ratsy ka noringanin’i Jehovah. Ho hitantsika ato amin’ity fizarana ity fa hitan’i Jehovah izay ataontsika, ary tsy havelany amin’izao mihitsy ny mpanao ratsy.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

LESONA 3

Tsy Nankatò An’Andriamanitra i Adama sy Eva

Nahoana no tsy azo nohanina ny voan’ny hazo anankiray tao amin’ny zaridainan’i Edena? Nahoana anefa i Eva no nihinana an’ilay izy?

LESONA 4

Tezitra Izy dia Namono Olona

Tian’Andriamanitra ny fanatitra nataon’i Abela, fa tsy tiany kosa ny an’i Kaina. Tezitra àry i Kaina rehefa fantany izany, ka nahavita zavatra ratsy be.

LESONA 5

Ny Sambofiaran’i Noa

Nanambady vehivavy teto an-tany ny anjely sasany. Niteraka ry zareo, ary ngezabe ny zanany sady tia nampijalijaly olona. Feno herisetra àry ny tany. I Noa kosa tia sy nankatò an’Andriamanitra.

LESONA 6

Olona Valo Sisa no Velona!

Avy nandritra ny 40 andro sy 40 alina ny orana, rehefa tonga ny Safodrano. Herintaona mahery ry Noa no tao anatinny sambofiara. Nivoaka tao ihany ry zareo tamin’ny farany.