LESONA 19

Ireo Loza Telo Voalohany

Ireo Loza Telo Voalohany

Andevo ny Israelita ary noterena hiasa mafy. Nasain’i Jehovah niteny tamin’i Farao àry i Mosesy sy Arona hoe: ‘Alefaso mandeha ny vahoakako, fa hivavaka amiko any amin’ny tany karakaina ry zareo.’ Niavonavona erỳ i Farao niteny hoe: ‘Tsy raharahako izany Jehovah izany ka tsy halefako ny Israelita.’ Vao mainka aza notereny hiasa mafy ny Israelita. Tian’i Jehovah ho fantatr’i Farao anefa hoe tena mahery izy. Fantatrao ve hoe inona no nataony? Nandefasany loza folo i Ejipta. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Tena tsy mihaino an’ahy mihitsy i Farao. Mandehana mankany aminy eny amoron’ny Reniranon’i Neily rahampitso maraina. Dia teneno izy hoe ho lasa ra ny ranon’i Neily, satria tsy avelany mandeha ny vahoakako.’ Nankany amin’i Farao àry i Mosesy. Dia hitan’i Farao i Arona nikapoka ny rano tamin’ny tehiny. Niova ho ra ilay rano dia lasa maimbo be, ka tsy azo nosotroina intsony. Maty daholo koa ny trondro. Mbola tsy namela ny Israelita handeha ihany anefa i Farao.

Nirahin’i Jehovah nankany amin’i Farao indray i Mosesy herinandro taorian’izay, hiteny hoe: ‘Raha mbola tsy alefanao ihany ny vahoakako, dia hataoko feno sahona eto Ejipta.’ Nampiakarin’i Arona ambony ny tehiny ka lasa feno sahona eran’i Ejipta. Nisy sahona daholo na tany an-trano, na teny am-pandriana, na tao anaty vilia baolina. Dia hoy i Farao: ‘Mba teneno i Jehovah hoe esory any ireo sahona ireo, dia halefako mandeha ny Israelita.’ Najanon’i Jehovah àry ilay loza ka maty ireo sahona. Dia nangonin’ny Ejipsianina ny fatin’ireo sahona ary lasa maimbo tany Ejipta. Tsy navelan’i Farao handeha akory anefa ny Israelita.

Hoy indray i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Asaivo kapohin’i Arona amin’ny tehiny ny tany dia ho lasa moka ny vovoka.’ Tonga dia feno moka tany Ejipta. Dia nisy mpiasan’i Farao niteny hoe: ‘Loza avy amin’Andriamanitra ity.’ Tsy nety nandefa ny Israelita ihany anefa i Farao.

“Hataoko fantany ny tanako sy ny heriko amin’ity indray mandeha ity, eny, hataoko fantany izany, ka ho fantany fa Jehovah no anarako.”—Jeremia 16:21