LESONA 21

Ny Loza Fahafolo

Ny Loza Fahafolo

Niteny tamin’i Farao i Mosesy hoe tsy hiresaka aminy intsony. Talohan’ny nandehanany anefa, dia hoy izy: ‘Ho faty daholo ny lahimatoa rehetra eto Ejipta amin’ny 12 alina, hatramin’ny zanak’i Farao ka hatramin’ny zanaky ny andevo.’

Nasain’i Jehovah nanomana sakafo manokana aloha ny Israelita. Hoy izy: ‘Makà ondrilahy na osilahy anankiray herintaona. Vonoy ilay izy dia atonoy, ka hano miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora. Fa ny rany kosa ataovy eo amin’ny varavarana. Anaovy koa ny akanjonareo sy ny kapanareo, dia miomankomàna fa alefako mandeha ianareo androany alina.’ Faly be izao ny Israelita e?

Nitety ny trano rehetra tany Ejipta ny anjelin’i Jehovah tamin’ny 12 alina. Nojereny izay varavarana tsy nisy ra, dia novonoiny ny lahimatoa tao amin’ilay trano, na manankarena ilay olona tao na mahantra. Nandalovan’ilay anjely fotsiny kosa ny trano iray raha nisy ra ny varavarany. Tsy nisy maty àry ny lahimatoan’ny Israelita.

Maty koa ny zanak’i Farao. Tena tsy zakan’i Farao izany ka tonga dia noteneniny i Mosesy sy Arona hoe : ‘Mandehana mandeha any daholo ianareo. ’Ndana mivavaka amin’izany Andriamanitrareo izany, dia ento koa ny biby fiompinareo.’

Diavolana be ny andro, rehefa niala tany Ejipta ny Israelita. Nisy 600 000 ny lehilahy, ary be dia be koa ny vehivavy sy ny ankizy. Samy niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny fokony ry zareo ka nilamina tsara. Betsaka koa ny olona tsy Israelita nanaraka an-dry zareo fa te hivavaka amin’i Jehovah. Ela ny ela ka tsy andevo intsony ny Israelita!

Tokony hanao sakafo manokana hoatran’iny ry zareo isan-taona, amin’izay tadidiny foana hoe namonjy azy i Jehovah. Nantsoina hoe Paska ilay izy.

“Noho izao indrindra no mbola namelako anao ho velona: Mba ho amin’ny alalanao no hampisehoako ny heriko, ary mba hambara eran-tany ny anarako.”—Romanina 9:17