LESONA 20

Ireo Loza Enina Nanaraka

Ireo Loza Enina Nanaraka

Nasain’Andriamanitra niteny tamin’i Farao indray i Mosesy sy Arona hoe: ‘Handefa lalitra ngezabe manaikitra aho raha tsy alefanao ny vahoakako.’ Lasa feno lalitra àry ny tranon’ny Ejipsianina rehetra, na mahantra izy na manankarena. Tany Gosena ihany no tsy nisy lalitra, satria tany ny Israelita no nipetraka. Nanomboka tamin’io loza fahefatra io, dia ny Ejipsianina ihany no voa. Hoy indray i Farao: ‘Mba asaivo esorin’i Jehovah ireny lalitra ireny, dia halefako ny vahoakany.’ Vao nesorin’i Jehovah anefa ny lalitra dia niova hevitra i Farao. Rahoviana àry izy vao hiaiky hoe mahery i Jehovah?

Hoy indray i Jehovah: ‘Harary sy ho faty ny biby fiompin’ny Ejipsianina, raha tsy alefan’i Farao ny vahoakako.’ Maty ny biby fiompy ny ampitson’iny, fa ny an’ny Israelita kosa tsy maty. Mafy loha anefa i Farao ka tsy navelany handeha ny Israelita.

Nirahin’i Jehovah nankany amin’i Farao indray i Mosesy. Nasainy nanipy lavenona teny amin’ny rivotra izy ka lasa vovoka ilay lavenona, ary nipetaka tamin’ny Ejipsianina rehetra. Dia lasa feno vay daholo ny Ejipsianina sy ny biby fiompiny. Mbola tsy nety nandefa ny Israelita ihany anefa i Farao.

Nasain’i Jehovah niverina tany amin’i Farao indray i Mosesy, hiteny hoe: ‘Mbola tsy avelanao mandeha ihany ve ny vahoakako? Ho hitanao tsara fa hisy havandra be dia be hilatsaka eto Ejipta rahampitso.’ Dia nandefa havandra sy tselatra ary afo i Jehovah ny ampitson’iny. Mbola tsy nisy hoatr’izany mihitsy tany Ejipta hatramin’izay! Simba daholo ny hazo sy ny voly. Tsy tratran’ ilay izy anefa ny tao Gosena. Dia hoy i Farao: ‘Mba asaivo ajanon’i Jehovah ilay havandra, dia avelako mandeha ianareo.’ Raha vao nijanona anefa ny orana sy havandra, dia niova hevitra i Farao.

Hoy indray i Mosesy: ‘Hohanin’ny valala daholo ny zavamaniry tsy simban’ilay havandra teo.’ Nisy valala be dia be àry nihinana an’izay sisa tavela teny an-tsaha sy teny amin’ny hazo. Dia hoy i Farao: ‘Mba asaivo alefan’i Jehovah mandeha any ireo valala ireo.’ Rehefa nesorin’i Jehovah anefa ny valala, dia mbola mafy loha ihany i Farao.

Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Ataovy manondro ny lanitra ny tananao.’ Tonga dia maizina be ny lanitra. Tsy nahita na inona na inona mihitsy ny Ejipsianina nandritra ny telo andro. Tany amin’ny Israelita ihany no nazava.

Hoy i Farao tamin’i Mosesy: ‘Afaka mandeha ianao sy ny vahoakanao, fa ny biby fiompinareo ajanòny eto ihany.’ Hoy anefa i Mosesy: ‘Tsy maintsy hoentinay ny biby fiompinay fa hataonay fanatitra ho an’i Jehovah.’ Tezitra be àry i Farao ka nilelalela hoe: ‘Aleha mandeha any! Hovonoiko ianao raha mbola miverina atỳ!’

“Dia ho hitanareo indray ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy, ary ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.” —Malakia 3:18