LESONA 17
Nifidy ny Hanompo An’i Jehovah i Mosesy
Tany Ejipta ny taranak’i Jakoba no nipetraka, ary nantsoina hoe Israelita ry zareo. Maty i Jakoba sy Josefa tatỳ aoriana, ary nisy Farao hafa nanjaka tany. Nataon’io Farao io andevo ny Israelita, satria natahotra izy sao dia lasa matanjaka noho ny Ejipsianina ry zareo. Notereny hanao biriky be dia be sy hiasa mafy tany an-tsaha ry zareo. Vao mainka anefa lasa be dia be ny Israelita. Tsy tian’i Farao izany, ka nasainy novonoina daholo izay zazalahikely israelita vao teraka. Natahotra be izao ny Israelita tamin’izany e?
Niteraka lahikely ny vehivavy israelita anankiray atao hoe Jokebeda. Mahafatifaty kely ilay zaza, ka tsy tiany ho faty. Nataony tao anaty harona àry izy, dia nafeniny tao anaty bararata teny amoron’ny Reniranon’i Neily. Niandriandry teny akaiky teny i Miriama, anabavin’ilay zaza, mba hijery izay hitranga.
Nandeha nandro tao amin’ilay renirano ny zanakavavin’i Farao, dia hitany ilay harona ary nosokafany. Zazakely nitomany no tao ka nalahelo be izy. Hoy i Miriama taminy: ‘Itadiavako vehivavy hampinono an’io zaza io ve ianao?’ Nanaiky ny zanakavavin’i Farao, ka nalain’i Miriama i Jokebeda, maman-dry zareo. Hoy ny zanakavavin’i Farao: ‘Mba ho ento any ity zaza ity dia ampinonoy, fa hokaramaiko ianao.’
Naverin’i Jokebeda tany amin’ny zanakavavin’i Farao ilay zaza rehefa lehibebe. Nataon’ny zanakavavin’i Farao hoe Mosesy ny anarany, ary notezainy hoatran’ny zanany izy. Afaka nahazo an’izay rehetra tiany i Mosesy tamin’izany. Tsy nanadino an’i Jehovah mihitsy anefa izy. Fantany mantsy hoe Israelita izy fa tsy Ejipsianina. Nifidy ny hanompo an’i Jehovah àry izy.
Te hanampy an’ireo Israelita i Mosesy tamin’izy 40 taona. Nisy fotoana, ohatra, izy nahita Ejipsianina nikapoka andevo israelita, dia novonoiny ilay Ejipsianina ka maty. Nafeniny tao anaty fasika ilay faty. Fantatr’i Farao izany tatỳ aoriana, ka notadiaviny hovonoina i Mosesy. Nitsoaka nankany Midianina àry izy. Nokarakarain’i Jehovah foana anefa izy tany.
‘Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao. Naleony nampijalina niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra.’—Hebreo 11:24, 25
Mety ho Tianao Koa
KILALAON-TSARY
Nisy Nahita i Mosesy Zazakely
Iza avy no hitanao eo amin’ny sary? Vakio ilay tantara ao amin’ny Eksodosy 2 dia ho fantatrao izy ireo.
AZO ATAO FOTOAM-PIVAVAHAN’NY FIANAKAVIANA
Nihalehibe Tany Ejipta i Mosesy
Nanao ahoana ny fiainan’i Mosesy tany Ejipta tamin’izy mbola kely? Adikao ireto kilalao ireto, ary diniho miaraka amin’ny fianakavianao.
KARATRA ARA-BAIBOLY
Karatra Ara-baiboly: Miriama
Inona ny zavamaneno notendren’i Miriama? Adikao ity karatra ara-baiboly ity dia ho fantatrao kokoa ny momba azy.
KILALAON-TSAINA HO AN’NY ANKIZY
Ny Fianakavian’i Mosesy
Nanompo an’i Jehovah daholo ny fianakavian’i Mosesy. Fantaro ny anaran’ny sasany amin’izy ireo.
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly