LESONA 15

Tsy Nanadino An’i Josefa Mihitsy i Jehovah

Tsy Nanadino An’i Josefa Mihitsy i Jehovah

Nanonofy i Farao, mpanjakan’i Ejipta, indray andro, ary tsy nisy nahay ny dikan’ilay nofiny mihitsy. Mbola nigadra i Josefa tamin’izay. Nisy mpiasan’i Farao anefa niteny hoe mahay manazava ny dikan’ilay nofy i Josefa. Tonga àry dia nampanantsoin’i Farao izy.

Hoy i Farao tamin’i Josefa: ‘Hainao ve ny dikan’ilay nofiko teo?’ Dia hoy i Josefa: ‘Hisy sakafo be dia be eto Ejipta mandritra ny fito taona, fa avy eo indray tsy hisy mihitsy mandritra ny fito taona. Makà olona anankiray tena mahay dia asaivo manangona sakafo izy, amin’izay ny olona hanana sakafo foana fa tsy ho faty.’ Hoy i Farao: ‘Tonga dia ianao izany no fidiko. Ianao no hataoko ambony indrindra manarakaraka an’ahy.’ Nahoana i Josefa no nahay ny dikan’ilay nofin’i Farao? Satria nampian’i Jehovah izy.

Nanangona sakafo i Josefa nandritra ny fito taona. Tsy nisy sakafo intsony eran-tany taorian’izay, afa-tsy tany Ejipta. Tany amin’i Josefa daholo àry ny olona no nividy sakafo. Fantatr’i Jakoba, dadan’i Josefa, fa nisy sakafo tany Ejipta, ka nirahiny nankany ny zanany folo.

Nankany amin’i Josefa àry izy folo lahy. Tonga dia fantatr’i Josefa ny zokiny, fa ry zareo tsy nahafantatra azy. Nandohalika teo alohan’i Josefa ry zareo, araka ilay nofin’i Josefa tamin’izy mbola kely. Tian’i Josefa ho fantatra raha mbola ratsy toetra foana ry zareo, ka hoy izy: ‘Tonga hitsikilo ny taninay fotsiny ianareo, dia hanafika anay.’ Dia hoy ry zareo: ‘Tsy mpitsikilo izany izahay. Avy any Kanana izahay, ary 12 mirahalahy. Efa maty ny zandrinay lahy anankiray, dia ny zandrinay faralahy any amin’ny dadanay.’ Dia hoy i Josefa: ‘Ho ento atỳ àry izany zandrinareo izany, izay aho vao mino anareo.’ Dia lasa nody ry zareo avy eo.

Lany indray ny sakafon-dry Jakoba ka nasainy niverina tany Ejipta ny zanany. Nentin-dry zareo koa i Benjamina, ilay faralahy. Nahita hevitra indray i Josefa tamin’izay. Mody nafeniny tao anaty gonin’i Benjamina ny kaopiny volafotsy, dia nolazainy avy eo hoe nangalarin-dry zareo ilay izy. Nokarohin’ny mpiasan’i Josefa ilay izy, dia hitany tao anaty gonin’i Benjamina. Taitra be ny zokin’i Josefa, ka niangavy taminy hoe aleo ry zareo no sazina fa tsy i Benjamina.

Fantatr’i Josefa amin’izay izao fa efa niova ny zokiny. Tsy tanany intsony àry ny ranomasony, ka hoy izy: ‘Izaho ange i Josefa, ilay zandrinareo e! Mbola velona any ve i Dada?’ Gaga be mihitsy ry zareo. Hoy koa i Josefa: ‘Aza malahelo amin’ny zavatra nataonareo an’ahy, fa Andriamanitra no nandefa an’ahy tatỳ mba hamonjena anareo. ’Ndana haingana alaivo mankatỳ i Dada.’

Dia lasa nody ry zareo nitantara an’ilay vaovao tsara tamin’ny dadany. Nentin-dry zareo tany Ejipta izy avy eo. Ela ny ela ka nifankahita indray i Josefa sy ny dadany!

‘Raha tsy mamela ny heloky ny olona ianareo, dia tsy hamela ny helokareo koa ny Rainareo.’—Matio 6:15