LESONA 24

Tsy Nanatanteraka An’ilay Voady Izy Ireo

Tsy Nanatanteraka An’ilay Voady Izy Ireo

Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Miakara indray eny amin’ilay tendrombohitra. Hisy lalàna hosoratako amin’ny vato fisaka mantsy, dia homeko anao ilay izy.’ Niakatra teny amin’ilay tendrombohitra àry i Mosesy, ary nijanona teny 40 andro sy 40 alina. Nosoratan’i Jehovah teo amin’ny vato fisaka anankiroa ny Didy Folo, dia nomeny an’i Mosesy.

Elaela teny amin’ilay tendrombohitra i Mosesy, ka nieritreritra ny Israelita hoe nilaozany ry zareo. Hoy ry zareo tamin’i Arona: ‘Mitadiava olon-kafa hitarika anay. Anamboary andriamanitra koa izahay!’ Dia hoy i Arona: ‘Omeo an’ahy àry ny volamenanareo.’ Nataon’i Arona tao anaty afo ilay izy dia nitsonika, dia nataony sarivongana zanak’omby. Hoy ny vahoaka: ‘Io zanak’omby io ilay Andriamanitra nitondra antsika niala tany Ejipta!’ Dia nivavaka tamin’ilay izy ry zareo sady nanao fety. Tena tsy mety izany satria efa nivoady ry zareo hoe i Jehovah ihany no ivavahany.

Hitan’i Jehovah ny zavatra nataon’ny Israelita. Hoy izy tamin’i Mosesy: ‘Mandehana midina fa mivadika amiko ny vahoaka. Lasa mivavaka amin’ny andriamanitra hafa ry zareo.’ Nidina àry i Mosesy, ary nentiny ireo vato fisaka anankiroa.

Rehefa teny akaikin’ny vahoaka i Mosesy, dia ireo ry zareo fa nihirahira sy nandihy ary nivavaka tamin’ilay zanak’omby. Tezitra be i Mosesy. Natsipiny tamin’ny tany ireo vato fisaka ka potipotika. Tonga dia nopotehiny koa ilay sarivongana zanak’omby. Dia hoy izy tamin’i Arona: ‘Fa naninona ianao no nanaiky ny tenin’ny vahoaka dia nanamboatra an’io?’ Dia hoy i Arona: ‘Aza tezitra ianao fa fantatrao ihany ireo. Nangataka andriamanitra ry zareo, dia natsipiko tao anaty afo ny volamenany, dia io zanak’omby io no nivoaka tao!’ Tena tsy mety ny nataon’i Arona. Niakatra an’ilay tendrombohitra indray i Mosesy, dia niangavy an’i Jehovah mba hamela ny fahadisoan’ny vahoaka.

Navelan’i Jehovah ny fahadisoan’ireo nankatò azy. Tena nilain’ny Israelita koa anefa ny nankatò an’i Mosesy, satria izy no nasain’i Jehovah nitarika an-dry zareo.

“Raha mivoady amin’Andriamanitra ianao, dia efao izany fa aza mangataka andro, satria tsy hahazo sitraka ny adala. Koa efao ny voadinao.”—Mpitoriteny 5:4