Fampidirana ny Fizarana 6

Fampidirana ny Fizarana 6

Tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina ihany ny Israelita, ary ny tranolay masina no toerana nivavahany tamin’i Jehovah. Nampianatra ny Lalàna ny mpisorona, ary mpitsara no mpitondra. Ho hita ato amin’ity fizarana ity fa mety hisy vokany be amin’ny olon-kafa ny safidin’ny olona iray sy izay ataony. Nila tsy nivadika tamin’i Jehovah sy tamin’ny namany mantsy ny Israelita tsirairay. Modely tsara, ohatra, i Debora, Naomy, Josoa, Hana, Samoela, ary ny zanakavavin’i Jefta. Nisy olona tsy Israelita aza nifidy ny hiaraka tamin’ny Israelita, satria fantany hoe nanampy an-dry zareo Andriamanitra. Anisan’ireny i Rahaba, Rota, Jaela, ary ny Gibeonita.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

LESONA 29

Nifidy An’i Josoa i Jehovah

Nanome toromarika an’i Josoa Andriamanitra, ary mbola ilaintsika amin’izao ilay toromarika nomeny.

LESONA 30

Nafenin’i Rahaba Ireo Mpitsikilo

Rava ny mandan’i Jeriko, fa ny tranon’i Rahaba kosa tsy naninon-tsy naninona, nefa teo ambonin’ilay manda.

LESONA 31

Josoa sy Ireo Gibeonita

Nivavaka tamin’Andriamanitra i Josoa hoe: “Ry masoandro, aza mihetsika!” Namaly an’izany vavaka izany ve Andriamanitra?

LESONA 32

Mpitarika Vaovao sy Vehivavy Roa Tsy Natahotahotra

Lasa nanompo sampy ny Israelita, rehefa maty i Josoa. Nijalijaly ry zareo, fa soa ihany namonjy azy i Baraka Mpitsara, Debora mpaminanivavy, ary Jaela.

LESONA 33

Rota sy Naomy

Nankany Israely ny vehivavy roa maty vady. Lasa niasa teny an-tsaha ny anankiray tamin’izy ireo, dia i Rota. Teny izy no hitan’i Boaza.

LESONA 34

Resin’i Gideona ny Midianita

Nampijalin’ny Midianita ny Israelita, ka nangataka fanampiana tamin’i Jehovah. Vitsy kely ny miaramilan’i Gideona nefa resiny ny Midianita 135 000. Fa nahoana?

LESONA 35

Nivavaka i Hana dia Nahazo Zanakalahy

Nentin’i Elkana tany amin’ny tranolay masina i Hana sy Penina ary ny zanany. Nivavaka i Hana tany, ka nangataka zanakalahy. Niteraka an’i Samoela izy herintaona taorian’izay.

LESONA 36

Nanao Voady Tamin’i Jehovah i Jefta

Inona ny voady nataon’i Jefta, ary nahoana? Nanaiky an’ilay izy ve ny zanany vavy?

LESONA 37

Niresaka Tamin’i Samoela i Jehovah

Mpisorona tao amin’ny tranolay izy roa lahy zanak’i Ely Mpisoronabe, nefa tsy nankatò ny lalàn’Andriamanitra. I Samoela kely kosa hendry, ary niresaka taminy i Jehovah.

LESONA 38

Nataon’i Jehovah Natanjaka Be i Samsona

Nataon’i Jehovah natanjaka be i Samsona mba hiady tamin’ny Filistinina. Nosamborin’ny Filistinina anefa izy rehefa tsy nisaina tsara.