LESONA 34

Resin’i Gideona ny Midianita

Resin’i Gideona ny Midianita

Nivadika tamin’i Jehovah indray ny Israelita tatỳ aoriana, ka nanompo sampy. Nijaly be nandritra ny fito taona àry ry zareo, satria nangalarin’ny Midianita ny biby fiompiny, ary nopotehiny ny voliny. Voatery niafina tany anaty lava-bato sy teny an-tendrombohitra ny Israelita. Hoy ry zareo tamin’i Jehovah: ‘Mba vonjeo izahay!’ Dia nasain’i Jehovah nankany amin’i Gideona ny anjely anankiray, hiteny hoe: ‘Matanjaka be ianao, ka nofidin’i Jehovah hamonjy ny Israelita.’ Dia hoy i Gideona: ‘Izaho tsisy dikany kely ity ve dia hahavita an’izany?’

Ahoana no nahafantaran’i Gideona hoe nifidy azy i Jehovah? Nasian’i Gideona volonondry teo amin’ny tany, ka hoy izy tamin’i Jehovah: ‘Raha lenan’ny ranonando ity volonondry ity rahampitso maraina fa ny tany kosa maina, dia ho fantatro hoe nifidy an’ahy ianao.’ Mando be tokoa ilay volonondry ny ampitso, fa ny tany kosa maina. Mbola nangataka indray anefa i Gideona hoe ilay volonondry indray atao maina fa ny tany atao lena. Dia izany tokoa no nitranga ny ampitson’iny! Niaiky àry i Gideona hoe nifidy azy i Jehovah, ka nangoniny daholo ny miaramilany.

Hoy i Jehovah tamin’i Gideona: ‘Hataoko mandresy ianareo. Betsaka loatra anefa ireo miaramilanao ireo, ka mety hieritreritra hoe matanjaka be ry zareo matoa mandresy. Asaivo mody daholo àry izay matahotra.’ Dia nody ny 22 000, ka 10 000 sisa. Hoy anefa i Jehovah: ‘Mbola betsaka ihany ireo. Mandehana eny amoron’ny renirano dia asaivo misotro rano ry zareo. Dia ento miaraka aminao izay sady misotro rano no mijery hoe sao dia misy fahavalo.’ Tsy nisy afa-tsy 300 no voafidy. Ireo 300 lahy ireo, hoy i Jehovah, no handresy an’ireo miaramila midianita 135 000.

Rehefa alina ny andro, dia hoy i Jehovah tamin’i Gideona: ‘Mandehana amin’izay tafiho ny Midianita.’ Nomen’i Gideona anjombona sy siny lehibe ny miaramilany, ary nasiany jiro fanilo tao anatin’ireo siny. Hoy izy: ‘Jereo tsara aho, dia ataovy izay ataoko.’ Notsofin’i Gideona ny anjombona, nopotehiny ny siny, ary nahetsiketsiny ny jiro sady nikiakiaka izy hoe: “Sabatr’i Jehovah sy Gideona!” Dia nanao hoatr’izany koa ireo 300 lahy. Natahotra be ny Midianita dia lasa nitsoaka. Nisahotaka ry zareo ka nifamono. Nampian’i Jehovah handresy indray ny Israelita.

“Mba ho avy amin’Andriamanitra ny hery fanampiny, fa tsy avy aminay.” —2 Korintianina 4:7