Vetivety dia henon’ny firenena kananita hafa ny zava-nitranga tany Jeriko. Nifanaraka àry ny mpanjaka maromaro fa hiady amin’ny Israelita. Tsy te hanao an’izany anefa ny Gibeonita. Nankany amin’i Josoa ry zareo, ary nanao akanjo efa ratsy be sady rovidrovitra. Dia hoy ry zareo: ‘Avy any an-tany lavitra izahay, ary henonay ny nataon’i Jehovah tamin’i Ejipta sy Moaba. Aza vonoina re izahay fa ataovy mpiasanareo e!’
Nino ny tenin-dry zareo i Josoa ka tsy naninona an-dry zareo. Telo andro taorian’izay anefa, dia fantatr’i Josoa fa hay tsy avy any lavitra akory ny Gibeonita, fa avy ao Kanana ihany. Dia hoy i Josoa: ‘Fa naninona ianareo no nandainga?’ Hoy ry zareo: ‘Ka natahotra izahay. Ianareo tsinona ampian’i Jehovah. Aza vonoina moa izahay e!’ Nitana ny teniny i Josoa ka tsy namono an-dry zareo.
Tsy ela taorian’izay, dia nitady hanafika an’ireo Gibeonita ny mpanjaka kananita dimy sy ny miaramilany. Nandeha tamin’ny alina àry i Josoa sy ny miaramilany mba hanavotra ny Gibeonita. Raikitra ny ady ny ampitso vao maraina. Resy ny Kananita ka nandositra teny rehetra teny, nefa tonga dia nandatsahan’i Jehovah havandra ngezabe. Nangataka tamin’i Jehovah i Josoa avy eo mba hataony tsy mihetsika ny masoandro. Mbola tsy nitranga mihitsy izany taloha. Sahy nangataka an’izany anefa i Josoa satria natoky an’i Jehovah izy. Tsy nihetsika tokoa ny masoandro tamin’iny andro iny, ka resin’ny Israelita daholo ireo mpanjaka kananita dimy sy ny miaramilany.
“Aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia, fa avy amin’ilay ratsy ny ankoatra izany.”—Matio 5:37