LESONA 37

Niresaka Tamin’i Samoela i Jehovah

Niresaka Tamin’i Samoela i Jehovah

Nanana zanaka roa lahy i Ely Mpisoronabe. Hofinia sy Finehasa no anarany, ary mpisorona tao amin’ny tranolay masina ry zareo. Tsy niraharaha ny lalàn’i Jehovah anefa ry zareo sady ratsy toetra be. Nalain-dry zareo, ohatra, ny hena tsara indrindra, rehefa nanao sorona biby ho an’i Jehovah ny Israelita. Fantatr’i Ely ny zava-dratsy nataon’izy roa lahy, nefa tsy nibedy an-dry zareo izy. Faly tamin’izany ve i Jehovah?

Efa lehibe i Hofinia sy Finehasa, fa i Samoela kosa mbola kely. Tsy nanao hoatran’izy roa lahy anefa i Samoela ka faly i Jehovah. Rehefa natory izy indray alina izay, dia nisy niantso. Nifoha izy ka nihazakazaka nankany amin’i Ely sady niteny hoe: ‘Ahoana tompoko?’ Dia hoy i Ely: ‘Tsy niantso anao aho ka. Mandehana miverina matory.’ Dia lasa natory i Samoela nefa mbola nisy niantso fanindroany, dia avy eo fanintelony. Fantatr’i Ely amin’izay àry hoe i Jehovah ilay niantso. Dia hoy izy tamin’i Samoela: ‘Raha mbola misy miantso ianao, dia ataovy hoe: Mitenena Jehovah fa mihaino anao aho.’

Niverina natory i Samoela. Nisy niantso indray izy hoe: ‘Samoela! Samoela!’ Dia hoy izy: ‘Mitenena fa mihaino anao aho.’ Hoy i Jehovah taminy: ‘Teneno i Ely hoe hosaziko izy sy ny fianakaviany. Efa fantany fa ratsy ny ataon’ny zanany lahy ato amin’ny tranolay masina, nefa izy tsy mibedy an-dry zareo akory.’ Ny ampitso maraina, dia nanokatra ny varavaran’ny tranolay masina hoatran’ny mahazatra i Samoela. Tsy sahy niresaka tamin’i Ely ny zavatra notenenin’i Jehovah anefa izy. Dia hoy i Ely taminy: ‘Inona no notenenin’i Jehovah taminao, anaka? Lazao daholo fa aza misy afenina.’ Dia notenenin’i Samoela taminy ilay izy.

Rehefa nihalehibe i Samoela, dia nanampy azy foana i Jehovah. Lasa fantatry ny olona rehetra tany Israely fa i Samoela no nofidin’i Jehovah ho mpaminany sy mpitsara.

“Tsarovy ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao. Eny, tsarovy izy amin’ny andro fahatanoranao.” —Mpitoriteny 12:1