LESONA 36

Nanao Voady Tamin’i Jehovah i Jefta

Nanao Voady Tamin’i Jehovah i Jefta

Lasa nanompo andriamanitra hafa indray ny Israelita tatỳ aoriana. Tsy nanampy an-dry zareo akory anefa ireny andriamanitra ireny, rehefa niady tamin-dry zareo ny Amonita. Nijaly be nandritra ny taona maro àry ry zareo. Farany dia hoy ry zareo tamin’i Jehovah: ‘Tena nanota izahay. Mba vonjeo re izahay fa mampijaly anay ny fahavalonay e!’ Nopotehin’ny Israelita daholo ny sampiny, dia nivavaka tamin’i Jehovah indray ry zareo. Nalahelo be an-dry zareo àry i Jehovah.

I Jefta no miaramila voafidy hitarika ny Israelita hiady tamin’ny Amonita. Nanao voady tamin’i Jehovah izy hoe: ‘Raha ampianao izahay ka mandresy, dia homeko anao izay olona mitsena an’ahy voalohany avy ao an-tranonay.’ Nohenoin’i Jehovah ny vavak’i Jefta ka nampiany izy handresy.

Iza àry ny olona voalohany nitsena an’i Jefta, rehefa nody izy? Ny zanany vavy, nefa io irery no zanany! Nandihy ilay ankizivavy sady nidoboka amponga kely. Tadidin’i Jefta ny voady nataony ka hoy izy: ‘Tena malahelo be aho, ry zanako vavy, fa efa nanao voady tamin’i Jehovah aho, dia tsy maintsy alefako ho any Silo ianao hanompo any.’ Dia hoy ilay zanany: ‘Raha efa izay ny voady nataonao tamin’i Jehovah, ry Dada, dia tsy maninona fa handeha aho. Aleo fotsiny aloha izaho sy ny ankizivavy namako hiaraka roa volana any an-tendrombohitra, izay izaho vao mandeha.’ Nanompo tao amin’ny tranolay masina tany Silo mandra-pahafatiny ilay zanakavavin’i Jefta. Dia nitsidika azy isan-taona ny namany.

“Izay tia zanakalahy na zanakavavy mihoatra noho ny fitiavany ahy dia tsy mendrika ahy.” —Matio 10:37