LESONA 46

Fantatra hoe Iza no Tena Andriamanitra

Fantatra hoe Iza no Tena Andriamanitra

Nisy mpanjaka ratsy fanahy be dia be tany amin’ny fanjakan’ny Israely, fa i Ahaba no anisan’ny tena ratsy. Nanambady vehivavy ratsy fanahy be atao hoe Jezebela mantsy izy. Mpivavaka tamin’i Bala i Jezebela, ary nasain’izy mivady nanompo an’i Bala daholo ny olona. Novonoiny koa ny mpaminanin’i Jehovah. Naniraka an’i Elia mpaminany àry i Jehovah mba hiteny an’i Ahaba.

Dia hoy i Elia tamin’i Ahaba: ‘Tsy ho avy mihitsy ny orana eran’i Israely satria ratsy toetra loatra ianao.’ Tsy nisy vokatra àry nandritra ny telo taona mahery, ka tsy nanana sakafo ny olona. Nasain’i Jehovah nankany amin’i Ahaba indray i Elia. Dia hoy i Ahaba: ‘Ianao ihany izao no nahatonga an’izao!’ Hoy i Elia: ‘An an an! Ianao ilay mivavaka amin’i Bala no nahatonga an’izao. Vorio eo an-tampon’ny Tendrombohitra Karmela ny vahoaka sy ny mpaminanin’i Bala, dia ho hitantsika eo hoe iza no tena Andriamanitra.’

Dia nivory teo amin’ilay tendrombohitra ny vahoaka. Hoy i Elia: ‘Tapaho ny hevitrareo. Raha i Jehovah no tena Andriamanitra dia mivavaha aminy, fa raha i Bala kosa dia mivavaha aminy. Asaivo manao fanatitra ireo mpaminanin’i Bala 450 ireo, dia asaivo miantso an’i Bala. Izaho koa hanao fanatitra dia hiantso an’i Jehovah. Dia izay mandatsaka afo no tena Andriamanitra.’ Nanaiky àry ny vahoaka.

Nanao an’ilay fanatitra ny mpaminanin’i Bala. Dia niantsoantso ny andriamaniny foana ry zareo tontolo andro hoe: ‘Mba valio re izahay ry Bala ô!’ Tsy namaly mihitsy anefa i Bala ka nihomehezan’i Elia, sady hoy izy: ‘Antsoy mafy be mihitsy izy e! Mbola matory angamba izy dia mila fohazina.’ Efa ho alina ny andro nefa mbola tsy namaly an-dry zareo ihany i Bala.

Nanao fanatitra amin’izay i Elia. Nataony teo ambonin’ny alitara ilay izy dia notondrahany rano be. Dia nivavaka izy hoe: ‘Jehovah ô, ataovy fantatr’ireo hoe ianao no tena Andriamanitra.’ Tonga dia nandefa afo avy any an- danitra i Jehovah ka levona ilay fanatitra. Dia hoy ny olona: ‘I Jehovah no tena Andriamanitra!’ Hoy i Elia: ‘Aza avela mandositra ny mpaminanin’i Bala!’ Novonoina daholo àry ny mpaminanin’i Bala.

Raha vao nisy rahona kely teo ambony ranomasina, dia hoy i Elia tamin’i Ahaba: ‘Ho avy be ny orana, ka taingeno ny kalesinao dia mandehana mody.’ Feno rahona mainty be ny lanitra sady nifofofofo be ny rivotra, dia avy be ny orana. Ela ny ela ka avy ihany ny orana! Nentin’i Ahaba mafy be mihitsy ny kalesiny. Nampian’i Jehovah anefa i Elia ka nandeha mafy be noho ilay kalesy izy! Hilamina amin’izay ve izao ny fiainan’i Elia?

“Mba ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!”—Salamo 83:18