I Josafata no mpanjakan’ny Joda tamin’izay. Nopotehiny ny sarin’i Bala sy ny alitarany tany Joda. Tiany hahay ny lalàn’i Jehovah koa ny vahoaka rehetra, ka nirahiny hampianatra an-dry zareo ny andriana sy ny Levita.
Tsy sahy nanafika an’i Joda ny firenena teny akaikin-dry zareo, satria fantany hoe nampian’i Jehovah ry zareo. Nisy aza nitondra fanomezana ho an’i Josafata Mpanjaka. Indray mandeha anefa, tonga hiady tamin’i Joda ny Moabita sy ny Amonita ary ny avy tany amin’ny faritr’i Seira. Fantatr’i Josafata fa i Jehovah ihany no afaka manampy azy. Nasainy nivory tao Jerosalema daholo àry ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra, dia nivavaka izy hoe: ‘Jehovah ô, ho resy izahay raha tsy ampianao. Mba teneno anay hoe inona no tokony hataonay.’
Dia hoy i Jehovah: ‘Aza matahotra fa hampiako ianareo. Samia maka toerana, ary mijoroa fotsiny dia ho hitanareo fa hovonjeko ianareo.’ Dia inona no nitranga?
Nifidy mpihira i Josafata ny ampitso maraina, dia nasainy nandeha teo alohan’ny miaramila ry zareo. Niala tao Jerosalema izy rehetra dia nankany Tekoa, fa any ry zareo no hifanena amin’ny fahavalony.
Falifaly be ireo mpihira sady nanao hira mafy be hiderana an’i Jehovah. Tamin’izay i Jehovah no niady ho an’ny vahoakany. Nataony nisahotaka ny Amonita sy ny Moabita ka nifamely, ary maty daholo. Narovan’i Jehovah kosa ny vahoaka sy ny miaramila ary ny mpisorona avy tao Joda. Henon’ny olona rehetra teny amin’ny manodidina ny nataon’i Jehovah, ka fantatry ry zareo fa niaro ny vahoakany foana izy. Mbola miaro ny vahoakany koa izy amin’izao, ary tsy mila olona hanampy azy izy amin’izany.
“Tsy mila miady ianareo amin’ity indray mandeha ity. Samia maka ny toerany ka mijoroa tsara fotsiny, ary jereo ny famonjen’i Jehovah anareo.” —2 Tantara 20:17